08 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 08 Janoary 2019

Jordania hanara-maso ireo famoahana an-tserasera sy tranonkala

GV Mpisolovava  08 Janoary 2019

(Lahatsoratra teny anglisy septambra 2007) Hanara-maso ireo famoahana an-tserasera sy tranonkala i Jordania, hoy ny nambaran'i Nabil Al-Momani, mpanampy ny mpitantana ankapobeny ny departemantan'ny fanontana sy famoahana ao Jordania androany. Manomboka amin'izao fotoana izao dia ho eo ambanin'ny Lalànan'ny Gazety sy ny Famoahana ny tranonkala sy ny gazety elektronika. Nilaza i Al-Momani...

Nesorina ny fandraràn'i Tonizia ny Facebook

GV Mpisolovava  08 Janoary 2019

Nesorina tao Tonizia nanomboka omaly 3 Septambra 2008 ny fandraràna ny tranonkala tambajotra ara-tsosialy malaza Facebook taorian'ny fihetsiketsehana goavana nataon'ny mpiserasera toniziana.

Tonizia: Nakatona ve ny Youtube?

GV Mpisolovava  08 Janoary 2019

Raha marina izany, dia ny Youtube no tranonkala fizarana lahatsary faharoa nakatona tao Tonizia. Hatramin'ny 3 Septambra 2007, mbola nosakanan'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Dailymotion.

Fiji: Mandrahona ny fiarovam-pirenena ny bilaogy

GV Mpisolovava  08 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny 14 May 2007, nitatitra ny Intelligentsiya fa manana ny lisitr'ireo olona miisa 20 hosamborina noho ny fifandraisany amin'ny bilaogy tsy tia miaramila ny Komandin'ny Tafika An-tanety. Notaterina ihany koa fa nanery ny FINTEL, izay hany mpanome tolotra aterineto ao...