Armenia: Famoriam-bahoaka, Revolisiona & Lalaon'Isa

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Nandefa sary avy amin'ireo famoriam-bahoaka lehibe nokarakarain'ireo kandidà sivy mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 19 Febroary ao Armenia tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana tao Yerevan ny Armenian Patchwork. Tamin'ny Zoma, nanatontosa ny azy sy nametraka maodely ho an'ny Tandrefana kokoa amin'ny tompon-dakan'ny fahazoana olona marobe i Vahan Hovannisian sy ny Federasiona Revolisionera Armeniana — Dashnaktrutyun (ARF-D), ny ampitso indray,  nanatontosa ny azy ny filoha teo aloha Levon Ter-Petrossian, nahazo olona an'arivony vitsy mahery, ary nanohy niaraka tamin'ny lalana “revolisionera” narahiny hatramin'ny nanombohany ny fampielezan-kevitra mialoha tamin'ny volana Septambra farany teo.

Exit mobile version