Shily: Fifanarahana Mampiadihevitra Nifanaovana Tamin'ny Microsoft

(Marihina fa tamin'ny jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy) 

Misy ny fahatsapana tao amin'ireo bilaogera shiliana fa tsy tsara ho an'i Shily ny fifanarahana nosoniavin'ny Minisitry ny Toekarena, Alejandro Ferreiro sy i Craig Mundie, Tompon'andraikitra Lehiben'ny Fikarohana sy ny Tetipanorona ao amin'ny Microsoft Corporation tamin'ny faha-9 ny volana mey. Manazava ny toe-draharaha amin'ny fomba tsotra ny lohatenin'ny lahatsoratr'i Christian ao amin'ny elfrancotirador [ES]:

“Chicos, ¿qué me dirían si les cuento que desde hoy, los 15 millones de chilenos (todos) vamos a ser usuarios de Microsoft… lo queramos o no. Lo imaginé.

¿Y qué tal si agrego al paquete que, en adelante, realizar cualquier trámite estatal o municipal requerirá el uso de software Microsoft? Pero no nos conformemos. Sumen que toda la educación chilena será ejecutada sobre plataformas Microsoft y que -no conforme con eso- cada estudiante matriculado de nuestro país se convertirá en “cliente preferencial” de la empresa.”

O ry zalahy a, inona no holazainareo raha miteny aminareo aho fa manomboka anio dia ho mpiseran'ny Microsoft (daholo) ny Shiliana 15 tapitrisa, na tiantsika izany na tsia? Izany no noeritreretiko.
Ary raha ampiako hoe, manomboka izao ihany koa dia tsy maintsy mandalo amin'ny fampiasana rindrambaikon'i Microsoft avokoa ny fifanakalozana eo amin'ny fanjakana na monisipaly? Ary aza mionona amin'izany ihany fa ny rafi-panabeazana shiliana dia hampiasa manontolo ny sehatry ny Microsoft-ary tsy vitan'izany fa ho “mpanjifa safinidin'ny orinasa” kokoa izay voasoratra anarana ho mpianatra ato amin'ny firenentsika.

Nividy ny Torohain'ny olom-pirenena Shiliana ny Microsoft?

Nanolotra antsika ny sombin'ny fifanarahana i Carlos ao amin'ny diabloendetalles [ES]:

The common creation of a “space” where the citizens have access to all the relevant notification information and interaction with the public institutions

Microsoft commits to supply 15 million users the platform Live (mail, Messenger, Spaces and mobile) for the mail service, instant communication, blogs and the access to them from mobiles for free. Microsoft agrees to assume the operational cost and administration of the infrastructure associated.

Ny fiarahana manangana “tahala” ahafahan'ny olom-pirenena rehetra miditra amin'ireo torohay araka ny tokony ho izy sy fifaneraserana amin'ireo andrim-panjakana

Manana adidy ny Microsoft hanolotra sehatra Live (mailaka, Messenger, Spaces sy finday) ho an'ny mpisera miisa 15 tapitrisa hahazoana servisy mailaka, fifandraisana eo noho eo, bilaogy ary fidirana avy amin'ny finday maimaim-poana. Manaiky ny Microsoft hiantoka ny lany amin'ny fikirakirana sy ny fitantanana ny fotodrafitrasa miaraka amin'izany.

Ho an'ny maro, dia miharatsy kokoa ity fifanarahana ity. Nampanantena ihany koa ny minisiteran'ny toekarena hanome torohay avy amin'ny sampan-draharaha fitantanana ny hetra haka hetra ao amin'ny kaontin'ny olom-pirenena. Araka ny nohazavain'i Fayerwayer [ES], nampanantena ihany koa ny Microsoft hampianatra ny Shiliana rehetra 18 ka hatramin'ny 35 taona hampiasa ny Windows, Word, Explorer ary ny ambin'ny sehatra Microsoft.

No a usar un computador, no a usar un procesador de texto, no a navegar la web, sino más bien a utilizar sus productos y únicamente sus productos — ¡gracias Microsoft!

Tsy mampiasa solosaina, tsy mampiasa fikirakirana lahatsoratra, tsy mampiasa tranonkala, fa mampiasa ny vokatra avy amin-dry zareo ary avy amin-dry zareo irery ihany- Misaotra anao Microsoft!

Misy  ihany koa ny fomba fijery hafa momba ity fifanarahana ity avy amin'i Rodrigo Walker [ES], fa tokony natao amin'ny alalan'ny tolobidy hitan'ny besinimaro ny fifanarahana, saingy hanaisotra ihany koa izany ny fahazoana rindrambaiko maimaimpoana.

Tsy niandry ny setriny avy amin'ny bilaogera, hetsika iray naorina hanaitra, hampahalala ary hitatitra ny fanapahan-kevitra fampivoarana nomerika rehetra ny “Mandam-Panafahana Nomerika” [ES]. Natsangana io fandraisana an-tanana io ho setriny manoloana ny fifanarahana nifanaovana tamin'ny Microsoft. Afa-miantsoroka ity fandraisana an-tanana izay efa nahangona sonia miisa 738 ny bilaogera.

Raha hanaraka ny adihevitra ao amin'ireo dinika (amin'ny teny espaniola avokoa) dia jereo ny Tarreo sy ny Atina Chile.

Exit mobile version