Andro Manerantany natokan'ny UNESCO ho an'ny boky ny 23 aprily – tsy hoe ny fitiavan'ny ekipan'ny Global Voices ny bilaogy no hanadinoanay ireo endrika hafan'ny fanehoankevitra an-tsoratra! Mifanohitra amin'izany, koa satria heverinay fa fomba iray tena mahafinaritra hahafantarana kolontsaina hafa ny famakiana haisoratra, dia manomboka fanamby mahafinaritra amin'ny mpiara-miasa sy ny mpamaky ny Global Voices rehetra, sy ireo mpitoraka bilaogy na aiza na aiza izahay.
Tahaka izao manaraka izao ny fizotry ny volan'ny boky Global Voices :
2) Manorata lahatsoratra ao amin'ny bilaogy momba io boky io amin'ny herinandro mialoha ny 23 aprily.
Te-hahafantatra izay mety ho azonao vakiana avy any Vietnam, Bolivia, Mozambika, Nouvelle Zelande na ireo firenena hafa ve ianao ? Anontanio eto ambany eto amin'ny alàlan'ny fametrahana fanehoankevitra! Azo antoka fa hisy olona hanolotra sosokevitra ho anao.
Ary raha te-hanafatra asa soratra tsy azo ihodivirana momba ny firenenao ianao, mamelà ihany koa fanehoankevitra azafady.