Ivom-panorona itoeran'ny alamandon'i Guyana amin'ny ezaka hanitarana fizahantany manaja tontolo iainana

Sarin'ny riandrano Kaiteur ao Guyan sy ny ala manodidina tao amin'ny Canva Pro.

Avy amin'i Vishani Ragobeer

Navoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network ity tantara ity. Dika nasiam-panovana ny etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Na dia nitondra fahasoavana [mg] ho an'ny toekaren'i Guyana eo aza ny fahitana (tahirin-t)solika lehibe, dia mbola miezaka hatrany ny firenena amin'ny fanamaroana ara-toekarena. Tetipanorona iray ny fanitarana ny sehatry ny fizahantany ara-tontolo iainana amin'ny alalan'ny famadihana ho vola ny velaran'ala midadasika.

Akanim-pahamaroan-tontolonjavamiaina sy voajanahary manintona tahaka ny rian-drano sy ny tendrombohitra ny ala-mando ao aminy — henika hazo maherin'ny 18 tapitrisa hekitara — ka mahatonga ny firenena ho toerana idealy itsangantsanganana ara-tontolo iainana. Ankoatra ny fanintonana mpizahatany noho ny hatsarana voajanahary ao aminy, anefa, dia mamadika ny ala mikitroka ho lasa vohitra ara-tontolo iainana ihany koa i Guyana, ka ny hazo avy amin'ireo faritra ireo dia ampiasaina hanamboarana trano mihaja ara-tontolo iainana anatim-bohitrakely.

Tamin'ny volana aogositra 2023, nosokafana tao Great Diamond, Morondrano Atsinanana Demerara, akaikin'ny lalambe vaovao ary minitra vitsy monja miala ny kianjabe nasionaly ao Providence, ny vokatry ny iray amin'ireo toera-mihaja ara-tontolo iainana ireo.

Nosokafana tao anatin'ny fotoanan'ny mafibe Guyana amin'ny Premier Leage Karaiba 2023, fifaninanana cricket malaza any amin'ny faritra, ny tanànakely ara-tontolo iainana, izay ahitana tranohazo mihaja 30 ata-tontolo iainana, izay lasa safidy hipetrahan'ny mpizahatany manatrika ny fifaninanana.

Nolazain'ny filohan'i Goiana Irfaan Ali ho ohatra amin'ny karazana tetikasa mety hahasoa ny sehatra maro, ao anatin'izany ny fizahantany sy ny taozavatra, ilay fananganana manaja tontolo iainana.

Naorina teo amin'ny tany iray hekitara monja (2 acres), nambara voalohany tamin'ny febroary 2023 ny fananganana trano 30 isa ho ampahany amin'ny tetikasa tranohazo 1000-plus an'ny DuraVilla Homes Guyana Inc. izay nampiseho fa sady azo ampiasaina no mirentirenty ny trano fonenana ara-tontolo iainana (eco-lodge) an-tanàndehibe. Tsy ho amin'ny lafiny ara-drafitra hananganana eco-lodge ihany no ampiasana ny hazo, fa amin'ireo singa maro hafa hanorenana ihany koa, mba tsy ho verivery foana ny hazo.

Misy ny fikasana hanitatra ny tetikasa any amin'ny faritra ambanivohitra sy somary lavi-dalana, izay ahitana vondrom-piarahamonina teratany efa manana rafitra mitovy amin'izany. Raha ny marina, vondrom-piarahamonina maromaro no mikatsaka ny hanorina rafitra fanampiny — amin'ny alalan'ny vola azo tamin'ny ambim-bola (crédits) karbônina ao Guyana —  hisitraka ny fifantoham-pirenena hisarika mpizaha tany mitsinjo tontolo iainana.

Lafiny iray hafa manan-danja amin'ny tetikasa tranohazo mihaja an-tanàndehibe ny fikatsahana hanome vahana ny vehivavy Goianey, izay manangom-bola ny maro amin'izy ireo — misy ny mahazo ny fanohanan'ny fanjakana — mba hividianana fehezam-pitaovana hananganana vohitra vaovao manaja tontolo iainana.

Voalaza fa liana hampiasa vola amin'ny fananganan-trano manaja tontolo iainana any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena ny tsy miankina mpanangana maro, anisan'ny mahaliana azy ireo ny any Leguan, iray amin'ireo nosy lehibe 300 hita ao amin'ny Reniranon'i Essequibo lehibe ao Guyana.

Nilaza i Rafeek Khan ao amin'ny DuraVilla Homes fa nahazo 34,5 tapitrisa dolara US teo ho eo i Guyana tamin'ny fanondranana hazoala tamin'ny faran'ny taona 2022, ary nihevitra fa amin'ny faran'ny taona 2023, manana fahafahana hampitombo ny fidiram-bolan'i Guyana ho 60 tapitrisa dolara US ny tetikasa trano 1000-plus an'ny orinasa.

Tsy ny fananganana vohitra ara-tontolo iainana ihany anefa no andraisan'ny fitrandrahana  ala ao Guyana anjara. Manorina trano voarafitra mialoha ihany koa ny firenena izay ikendrena hanomezana fahafaham-po ny tinadim-pialofana betsaka ao an-toerana sy manerana an'i Karaiba. Hatramin'izao fotoana izao, anisan'ireo firenena mikomandy trano vita rafitra mialoha avy any Guyana ireo mpifanolo-bodirindrina avy amin'ny vondrom-piarahamonina karaibeana (CARICOM) toa an'i Barbados sy St. Vincent ary Grenadines.

Manantena hahazo fidiram-bola amin’ny fiarovana ny alany koa ny firenena. Taona maro talohan'ny nahitana solika, nifantoka tamin'ny fitazonana ny ala ao aminy i Guyana. Na dia eo amin'ny sehatry ny fanapahana hazo hahazoambola be aza, ny tahan'ny fandripahana ala isan-taona ao amin'ny firenena dia 0,06 isanjato — latsaka hatramin'ny 90 isanjato noho ny an'ny firenen'ny tany mafana sy mando hafa.

Hatramin'ny nidirany tao amin'ny tsenan'ny ambim-bola (crédits) karbônina tamin'ny faran'ny taona 2022, dia nahazo fifanarahana mitentina 750 tapitrisa dolara US farafahakeliny, mandra-pahatonga ny taona 2030 i Guyana, nifanaovana tamin'ny orinasa amerikana Hess Corporation.

Noho ny tombony ara-bola, mikasa ny hahazo bebe kokoa amin'ireo fifanarahana ireo i Guyana mba hikajiana ny ala tsy ho voakitika. Ny hevitra fototra hikajiana ireo ala ireo ny fitrohany etona lany andro toy ny gazy karbonika.

Mifanohitra amin’izany hevitra izany ve ny tanàna kely manaja tontolo iainana sy ny trano hazo? Nolazain'i Khan hoe tsia, satria aminy tsy mifanipaka amin'ny fiarovana ny ala ao Guyana ny fikasana hanitatra ny sehatry ny (fitrandrahana) ala satria latsaky ny iray isanjaton'ny ala ao Guyana ihany no atokana ho amin'izany famokarana hazo izany ary “ zara raha mampiasa ny ampahatelon'io natokana ho amin'izany io” ireo mpamokatra ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.