DISO
Ity lahatsoratra ity dia niainga avy amin'ny asa fanamarinana nifarimbonan'ny ekipam-panoratana ao Frantsa sy ao amin'ny Fanjakana Britanika niarahana tamin'ny CrossCheck (Frantsay| Anglisy), fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa iadiana amin'ny fandisoam-baovao an-tserasera, ary navoaka indray noho ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny Global Voices.
Tamin'ny 22 Martsa, nandefa pikantsarin'ny lahatsoratra iray nosoratana tamin'ny teny Arabo izay manasongadina ny sarin'i Emmanuel Macron tao amin'ny Twitter ny @AudreyPatriote. “Efa nisafidy ny kandidàny i Al-Quaïda dia i… # Macron. (Milaza ny fanambarany momba ny fanjanahantany izy ireo), “hoy izy nanoratra.
Ny lahatsoratra dia mitondra ny lohateny hoe: «Nilaza ny fanjanahantany ho ‘heloka bevava atao amin'ny olombelona ny iray amin'ireo kandidà lehibe ho filoham-pirenena frantsay, tao Alzeria». Mikasika ireo « fanakianana» izay azon'i Macron avy amin'ny mpanao politika frantsay momba ny fanambarany ny lahatsoratra, araka ny hita eo ambony.
Gazety nomerika mifandray amin'ny sampana Islamikan'ny tambajotra Al-Qaida any amin'ny Saikinosy Arabia (AQAP) ny Al-Masra raha ny marina. Na izany aza, tsy mifandraika mihitsy amin'ny tian'ilay sioka hambara ny votoatin'ny lahatsoratra, izay tena nisy: tsy manohana an'i Macron ny Al-Quaïda.
Hahita lahatsoratra miresaka famitaham-baovao hafa sy ny fifidianana ao Frantsa ianao ato.