Mavitrika Araka Ny Nampanantenainy Hanao Fanadihadiana Ny Vola Fanampiana ny Filoha Ho Hofantranony Ve Ny Polisin'i Trinidad & Tobago ?

Pikantsary ampahany avy amin'ny taratasy nalefa ho an'ny mpampanoa lalàna, Rhoda Bharath momba ny fangatahana hahazo maka vaovao any amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena.

Nisarika ny sain'ny firenena manontolo i Rhoda Bharath, mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo ao Trinidad sy Tobago izay, tany amin'ny Septambra 2016 tany ho any, tamin'ny nitondrany ilay olana niteraka resabe momba ny fanampiana ny filoha amin'ny resaka hofantrano, dia nandefa lahatsary vaovao nivantana tao amin'ny Facebook ho fampahafantarana ny mpisera momba ny fivoarana farany tamin'ilay raharaha — na ny tsy fisiany.

Efa mandeha ho azy ny fanarahan'ny mpampiasa media sosialy ao amin'ny firenena ireo fanavaozana alefan'i Bharath, ary ny resaka ety anaty aterineto dia nanampy tamin'ny fitazonana ilay olan'ny lazaina ho tsy fandehanan-draharaha any anaty biraom-panjakana ho eny amin'ny lohalaharana, na hita ho tsy taitra hamoaka ilay raharaha aza ireo media mahazatra sy ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena.

Nilaza ny Trinidad and Tobago Police Service (TTPS) – Sampan-draharahan'ny polisy – tamin'ny 15 Janoary 2017, fa ny rantsana miady amin'ny kolikoly ao aminy dia mety hanomboka fanadihadiana iray momba ny rosia fandoavana hofantrano isambolana mitentina TT$28,000 (US$4,182) mahakasika ny Filoha Anthony Carmona. Nandray io vola io ny filoha no sady nipetraka tamin'ny tranom-panjakana, izay tsy azo atao. Hatramin'izay, samy tsy fantatry ny vahoaka ny dingana vitan'ilay fanadihadiana sy izay vokatra azony.

Tamin'ny Janoary, nilaza ny Lehiben'ny polisy (CoP) Stephen Williams, fa tamin'ny fotoanan'ny fanadihadiana, tsy mbola resaka heloka bevava no nisy. Tao anatin'ny Fampitàna vaovao mivantana tamin'ny Facebook nataony, nivazivazy i Bharath hoe, araka izay fantany hatreto, “ny hany zavatra tokana […] hadihadian'ny polisy eto Trinidad sy Tobago dia ny heloka bevava”. Nampahatsiahiviny koa ho an'ireo mpampiasa media sosialy fa izy dia naka torohevitra momba ny lalàna taminà manampahaizana manokana sy tsy miankina, niainga avy amin'ny porofo nangoniny, tamin'ny fanamarihana fa ny fanadihadian'ny polisy dia nanomboka “taorian'ny nanitrikitrihan'ny Filankevitry ny Mpanjakavavy (QC) hoe ilaina ny hanaovana fanadihadina ny filoha”.

Ny toa tsy fisian'ny fandrosoan'ilay fanadihadiana dia nanavao indray ny tsy fisian'ny fitokian’ireo mpisera ety anaty aterineto ny sampan-draharahan'ny polisy.

Nanitrikitrika imasom-bahoaka ny Filoha Carmona fa ny Kaomity mpandinika ny resaka karama (SRC) no namome alàlana azy handray ilay fanampiana amin'ny hofantrano, niainga avy amin'ny tatitra iray nampanaovina. Kanefa, hatramin'izay,  nilaza ny SRC fa tsy nanome alàlana tahaka izany.

Tao anatin'ny Lahatsary Fampitàna mivantana farany nataony tao amin'ny Facebook, nipasoka sehatra maro vaovao momba ilay olana i Bharath. Ny 11 Janoary 2017, nisy fihainoana Joint Select Committee (JSC) – Kaomity iraisana – izay natrehan'ireo mpikambana ao amin'ny biraon'ny filoham-pirenena — nahitàna ny Mpitambola, Gregory Serrette. Nomarihan'i Bharath, izay niditra mivantana mba hampita ilay fakàna am.bavany, fa io dia nampibaribary “hadalàna marobe nandeha tamin'ny fandaniambola sy ny fampidirana mpiasa […]  hatrany amin'ny Desambra 2016, olona roa mpiasa an-tranon'ny filoha no misoratra ao anaty taratasy fandraisana karama ao amin'ny biraon'ny filoha”. Vokany, takiany ny Filoha Carmona hanazava raha toa ka ny volan'ny mpandoa hetra no nampiasainy hanakaramàna olona avy amin'ny ankohonany sy handoavana ny fandaniana ateraky ny fivezivezen'izy ireny.

Tian'i Bharath ho antsoina handray ny andraikiny koa i Serrette, tamin'ny filazàna hoe izy tenany koa dia manana fianakaviana, iray raha kely indrindra, miasa ao amin'ny biraon'ny filoha:

Isika eto Trinidad sy Tobago dia tia ny mody milaza ny kiantranoantrano ho tsy olana goavana […] raha ny marina, tsy araka ny lalàna io.  Lazain'ny Lalànan'ny Fahamarinana amin'ny Fiainam-Bahoaka fa ianao dia tsy natao hampiasa ny toerana misy anao amin'ny asam-panjakana hanomezana tombony ireo namana sy fianakavianao.

Misy zavatra hafa tratry ny radaran'i Bharath rehefa fanadihadian'ny polisy no atao resaka — “karazam-pifamatorana” misy eo amin'ny filoha sy i Williams, lehiben'ny polisy — izay araka ny lazainy dia miteraka fifanoherana tombontsoa. Tamin'ny 2009 i Avason Quinlan, mpitsara ary vadin'i Williams, dia niatrika fiampangana noho ny fitondrantena tsy mendrika. Tribonaly tsy nisy afa-tsy lehilahy iray no nanadihady ilay raharaha. Tribonaly “tsy nahitana afa-tsy ny Mpitsara Carmona” tamin'izany fotoana izany. Nafahana i Quinlan taorian'izay.

Raha izany no jerena, nilaza i Bharath fa “tena mampametraka fanontaniana ho azy raha toa ka hizotra amin'ny fomba malalaka, mangarahara ary tsy miangatra” ilay fanadihadiana.

Naneho hevitra i Brian Chambers, mpampiasa Facebook :

Fanamarihana mahaliana momba ny vadin'ny CoP, heveriko fa misy tsara mihitsy ny anton'ny firotsahana an-tsehatry ny Kaomitin'ny Fahamarinana, saingy aza tapaka lalàn-drà amin'izay mitranga.

Ny Kaomitin'ny Fahamarinana ao amin'ny firenena, etsy ankilany, dia vita fahiranon'ny tsy fisianà fahamendrehana mampivanàka.

Taorian'ny taratasim-pifandraisana voarain'i Bharath, izay “nandà am-panajàna” tsy hamboraka ireo vaovao tadiavin'i Bharath, niainga avy amin'ny toko faha-5 (1) (a) amin'ny Lalànan'ny Fahalalahana hahazo Vaovao (FOIA) ao amin'ny firenena izay manaisotra ny filoha, nitondra fanavahana mazava tsara amin'ny atao hoe filoha sy ny biraony i Bharath :

Mpiasa sivily no mampihodina ny biraon'ny filoha, ny mpanaramaso ankapobeny no manaraka akaiky azy ireo ary afaka antsoin'ny parlemanta hamaly fanontaniana, izay tena midika fa azonay ametrahana fanontaniana ry zareo.

Momba izay andàlana izay, naneho hevitra i Barbara Jenkins mpampiasa Facebook :

Tsy marina izany. Raha lalàm-panorenena io dia tsy fahalavorariana mahafaty misintona fotsiny izay hitan'ny masontsika ankehitriny.

Miaraka amin'ny hoe efa 11 volana sisa ny filoha Carmona dia hiala amin'ny toerany sy ny tsy fisian'ny fanavaozana ny vaovao omena ny daholobe momba ny fanadihadiana ataon'ny polisy, nilaza i Bharath fa ilay olan'ny fanampiana amin'ny hofantrano “dia mifandrohy aminà raharahanà heloka bevava midadasika be ao amin'ny firenena”:

Rehefa ao anaty toedraharaha iray ianao, ka hoe ny mpitazona ny birao farantampony eo amin'ny tany sy ny fanjakàna no tsy afaka tazonina ho tomponandraikitra, mandà ny tsy hamaly fanontaniana, ary ny polisy izay tsy maintsy valiantsika no tsy hanadihady, hamaha heloka bevava sy hanao izay haha-tomponandraikitra ny olona […] raha tsy manao ny asany ry zareo, dia izay izany…

Exit mobile version