Mety mahita ny tenirohy #ShilpaShettyReviews amin'ny sioka maro avy amin'ny Indiana ianao androany. Mikasika ny hadalana nataon'ilay mpilalao sarimihetsika Bollywood, Shilpa Shetty tamin'ny antsafa, izay nalaza vetivety izany.
Nanomboka andro vitsivitsy izay no lasa nalaza tao amin'ny Twitter ny tenirohy raha navoaka tao Lucknow nandritra ny fihaonambe isan-taona faha-59 fanaon'ny Fikambanan'ny Sekoly Indiana mpizara Sertifikà ny fandaharam-pianarana vaovao hanaovana Fanadinana hahazoana Sertifikàn-tsekoly Indiana. Nambara tao amin'ny fihaonambe fa ny fandaharam-pianarana ho an'ny mpianatra Kilasy faha-3 ka hatramin'ny kilasy faha-8 dia ahitana tantara an-tsary «Astérix sy Tintin», ny tantara mitohy “Harry Potter” an'i JK Rowling, ny tantara mitohy “Hercule Poirot” an'i Agatha Christie, “The Hobbit” an'i JRR Tolkien, “Feluda” an'i Satyajit Ray ary ny “Sherlock Holmes” tantarain'ny Sir Arthur Conan Doyle, ankoatra ireo boky hafa. Ho Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny vakiteny ihany koa ny tantaram-piainan'i APJ Abdul Kalam, Anne Frank ary Malala Yousafzai.
Tamin'ny antsafa tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro Times of India amin'ny teny Anglisy, nanohana tamin'ny fo ny fanapahan-kevitra i Shilpa Shetty ilay mpilalao sarimihetsika Bollywood, ary nilaza hoe:
Books like Lord Of The Rings (LOTR) and Harry Potter as part of the syllabus is a great move because it cultivates imagination and creativity at a young age. They should include books like Little Women, as it encourages respect towards women at a young age. Even a book like Animal Farm can teach the little ones to love and care for animals.
Fanapahan-kevitra tsara ny fampidirana ny boky tahaka ny Seigneur Des Anneaux [Tompolahin'ny Peratra] sy Harry Potter ao anatin'ny fandaharam-pianarana satria mamboly fandinihana sy fahaiza-mamoronana dieny mbola kely. Tokony ahitana boky tahaka ny Little Women (Vehivavy Kely) ihany koa, satria mandrisika ny fanajana ny vehivavy tanora izany. Na dia ny boky toy ny Animal Farm (Toeram-Piompiana) aza dia afa-mampianatra ny ankizy hitia sy hikarakara biby.
Miharihary fa diso fandraisana ny Animal Farm, izay fanehoan-kevitra ara-politika ara-panoharana momba ny Firaisana Sovietika avy amin'i George Orwell tao amin'ny fiarahamonina mahantra, izy raha nieritreritra izany ho zavatra tsara ho an'ny biby.
This is why #shilpashettyreviews is trending. pic.twitter.com/1AXnAJS3Fi
— CornerCubicle (@cornercubicle_) November 28, 2016
Izany no mahatonga ny #shilpashettyreviews (fandinihan'i shilpashetty) ho lasa malaza.
Feno momba ny fandinihana fohy haingana tahaka ity manaraka ity ny aterineto, mitondra ny tenirohy #ShilpaShettyReviews avokoa izy rehetra, izay lasa lohahevitra voalohany malaza vetivety
Fifty shades of Grey is an instruction manual for dot matrix printers #ShilpaShettyReviews
— Fahad R. Bhatti (@frbhatty) November 28, 2016
Boky torolalana ho an'ny mpanonta dot matrix ny Fifty shades of Grey (Ny Zavatra tsy Mazava)
Oh! I thought David Copperfield is about a boy who works in fields where copper grows. #ShilpaShettyReviews https://t.co/Xwa7H9CaKH
— kaveri (@ikaveri) November 28, 2016
Oh! nieritreritra aho hoe momba ilay tovolahy miasa ao amin'ny saha itsirian'ny varahina ilay hoe David Copperfield [kilalaonteny mampiditra ny field=saha sy copper=varahina izany]
Pride and Prejudice is my favourite book about a group of lions and racism. #ShilpaShettyReviews
— Purva Scamander (@thatobesewoman) November 28, 2016
[Rehareha sy Fitongilanan-kevitra] no boky ankafiziko momba ny vondrona liona sy fanavakavaham-bolonkoditra.
Children should read ‘A Tale of Two Cities’, so that they can learn geography. #ShilpaShettyReviews
— Absinthe Minded (@MinstrelofSound) November 28, 2016
Tokony hovakian'ny ankizy ny ‘Anganon'ny Tanàna Roa’, mba ahafahan-dry zareo mianatra jeografia.
“Life of pi is an amazing cookbook. Children will love it.” #ShilpaShettyReviews
— Harish Iyengaar (@scaryhairyman) November 28, 2016
Boky mahatalanjona momba ny fahandroan-tsakafo ny [Fiainan'ny pi iray]. Hotiavin'ny ankizy io.
Children should read The Kite Runner, because only then will they know how dangerous it is to chase kites. #ShilpaShettyReviews
— #ish (@WhatMenBugger) November 28, 2016
Tokony hamaky ny [Papangohazo] ny ankizy, satria izay ihany no ahafantarana ny maha- mampidi-doza ny fihazana papango.
The fault in our stars is the best book for kids to learn astronomy 😛 #ShilpaShettyReviews
— Daniel (@AskDanyal) November 28, 2016
Ny fahadisoana ao amin'ny kintantsika no boky tsara indrindra ho an'ny ankizy hianarana astronomia.
“The Hobbit is good. All children should develop good hobbits.” #ShilpaShettyReviews
— Harish Iyengaar (@scaryhairyman) November 28, 2016
Tsara ny Hobbit [Tapak'Olona]. Tokony hampivelatra ny “hobbit” tsara ny ankizy rehetra
Ary nankafy kokoa amin'ny famakiana ireo sioka vaovao ny olona:
Is there anyone else who cannot stop reading all #ShilpaShettyReviews?
The things people come up with are just hilarious!— Li'l Jevi (@MissChotaPacket) November 28, 2016
Misy olon-kafa tsy mitsahatra mamaky ny #ShilpaShettyReviews rehetra ve?
Mampihomehy avokoa izay zavatra ataon'ny olona ao!
Nisy ihany koa ireo sioka nanohana an'i Shetty:
because why blame a paper produced by multiple editors if you can laugh at the woman who probably didn't say the thing? #ShilpaShettyReviews
— Supriya Nair (@supriyan) November 28, 2016
nahoana no manome tsiny ny lahatsoratra novokarin'ireo tonian-dahatsoratra marobe raha afaka mihomehy amin'ny vehivavy mety ho tsy nilaza ilay zavatra ianao?
Dear @TheShilpaShetty, are you sure they have quoted you properly? Because the book #AnimalFarm is not about animal husbandry. #JustChecking pic.twitter.com/abS9byfscF
— Soumyadipta (@Soumyadipta) November 28, 2016
Ry namana @TheShilpaShetty, mino ve ianao fa nanatsonga tokoa ny zavatra nolazainao araka ny tokony ho izy ireo? Satria misy tsy resaka fikarakarana biby ny boky #AnimalFarm [Toeram-Piompiana]
Ary nisaotra an'i Shilpa Shetty i Sabit Aziz:
Thank You Shilpa Shetty for the Gaffe. I have my book bucket list ready now. #ShilpaShettyReviews
— Sabit Aziz (@azizspeaksss) November 28, 2016
Misaotra anao Shilpa Shetty noho ny Hadalana. Vonona ankehitriny ny lisitry ny bokiko [en]