“Tongasoa eto amin'ny restolanche”. Alarobia hatramin'ny Asabotsy, amin'ny alina ao amin'ny kianja Padroeira do Brasil, ao afovoan'i Osasco, tanàna midadasik'i São Paulo dia ahitana filaharambe eo anoloan'ny sarety kely izay mikarakara tsara sy haingana ny “lanche (mitovy amin'ny hamburger)” mampiavaka an'i São Paulo.
“Baguete (karazana mofo dipaina)” sa “bagnat (karazana mofo)” ? Hoy ny fanontaniana mahazatra an'i Sebastião Figueira, 68 taona mikasika ny karazana mofo asiana ny hot-dog (cachorro quente amin'ny teny Breziliana = ara-bakiteny hoe “alika mafana”). Ny mety ho valintenin'ny mpanjifa: “Iray feno, tsy asiana voatabia”. Mikarakara iray amin'izany izy raha mitodika any amin'ny mpanjifan'ny ‘Dogão do Tião’ manaraka sahady ny mpanampy azy.
Izany no andavan'androm-piainan'ity lehilahy ity nandritra ny 22 taona nahitany ity anton'asa ity. “Saofera kamiao aho taloha, tsy an'asa aho avy eo ary mba tsy hijanonana hatory fotsiny ao an-trano, nanomboka nivarotra hot-dog aho. Amin'ny taonako, fantatrareo tsara fa tsy hisy handray ahy hiasa intsony”.
Eo am-pihinanana, mankafy ny hamiramiran'ny mpivarotra ny mpanjifa. Sary nahazoana alalana.