Media Sosialy Mihiaka Fangalarana Tsy Nety Taorian'ny Nampiasan'ny Amerikana Iray Mpihira “Rap” Ny Asan'ilay Trinidadiana Mpaka Sary

"T.I. @ Bumbershoot." Photo by Alex Crick, used under a CC BY-SA 2.0 license.

“T.I. @ Bumbershoot,” notapahana. Sary avy tamin'i Alex Crick, nampiasaina ambany fahazoandàlana CC BY-SA 2.0 .

Ao anatin'ny media sosialy miaka-pofona izay misy Karaibiana maro mpisera amin'ny Aterineto  mitsangana miaraka amin'ny fiadiana, nampiasa ny sarin'ilay mpaka sary Trinidadiana Laura Ferreira, tsy nahazoany fahazoandàlana avy taminy, i T.I  Amerikana mpiangaly “hip hop”. Mampiseho olona maro manao sarontava, tsara bika, aminà akanjo be pitsopitsony fanao amin'ny Fetibe karnivaly, noforonin'i Anya Ayoung-Chee, mpandresy tamin'ny andiany faha sivy tamin'ny fampisehoana malaza amin'ny resaka lamaody, “Project Runway“, ilay sary.

Niseho tamin'ny fanasàna hifety izay nalefan'i T.I. tao amin'ireo kaontiny Instagram sy Twitter ilay sary. Nilaza sy nandefa ito fanehoan-kevitra ito i Ferreira :

@troubleman31 ô ry bandy a, sary nalaiko io amin'ny sarinao io, akanjo noforonin'i @anyaayoungchee ho an'ny Fetibe karnivaly

Tsy mba misy fahendrena ny valintenin'i T.I., na ataon'ireo vahoaka Karaibiana hoe “diso ary mivatravatra”, mandefa ny baolina ho any amin'ny “ekipan'ny olona miandraikitra ny fandrindàna & fikarakarana ny fety” ary nisisika tamin'ny filazàna fa tsy mbola nangalatra ny asan'olon-kafa mihitsy izy. Taminà filazàna nahavariana ihany koa, nilaza ihany koa izy fa tokony ho faly amin'izy ireo aza i Ferreira , “manome lanja” ny asany — izay mety tsy hiseho mihitsy raha notononina ny anaran'ilay mpaka sary.

Ary io fanononana ny anarany sy ny an'i Ayoung-Chee io mihitsy no takian'i Ferreira. Nandefa izao izy tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Trano fiasàny:

Mampiasa ny iray amin'ireo sary nalaiko i T.I. ho amin'ny fanasàny amin'ny fetin'ny tsingerintaonany, ao amin'ny kaontiny Instagram (ao amin'ny pejy Facebook-ny ihany koa amin'izao). Tiako mba ho tononina ny anarako sy ny an'i Anya Ayoung-Chee, ilay mpanamboatra ny akanjo.

Ny tena marina, nahalala tsara izay nanao io fanasàna io fa tsy manan-jo ny hampiasa io izy. Tsy mahatonga io ho lasa mety tampoka teo ny fanalàna ny anarako teo amin'ny sary. Tokony ho faly aho mba haneho an'io amin'ny mpijery maro be toy izao, raha toa ka mba nifampiresahana tamiko mialoha -____-

Nameno tatitra tamin'ilay zava-nitranga tao amin'ny Instagram sy Facebook moa i Ferreira.

‘Tsy misy fanajàna, be hambo ary mahay vava loatra’

Nifangaro ireo fihetseham-po, tao amin'ny kaonty Instagram an'i T.I. sy pejy Facebook-n'i Ferreira. Nieritreritra ireo maro naneho hevitra fa tokony mba nomena vidin-kasasarana i Ferreira nohon'ny nampiasàna ny sariny ary nilaza ny tokony hakàny hevitra araka ny lalàna amin'io resaka io.

Nanohana tanteraka ilay mpaka sary i Renee Bottagisio:

Tsy azo ekena tanteraka mihitsy izany, ary hetsika lehibe sy tena feno herim-po tokoa ny nitsangananao niteny azy am-pahibemaso toa izany!! Fanajana lehibe ho anao sy ny asanao!!. Tena tsy misy fanajàna, be hambo ary mahay vava loatra ilay toetra. Tsy resaka vola akory io fa resaka foto-kevitra. Tsy nety ny zavatra nataony, nety ny zavatra nangatahanao ary misy antony, ary ny valinteniny…. tena tsy misy dikany. Mirary anao hahazo ny rariny amin'io ary mba halaza anie ireo asanao tena tsara, na eto an-toerana na any ivelany, mitso-drano anao.

Ao amin'ny kofehim-panehoankevitra ao amin'ny Instagram an'i T.I., “chaufit” namerina ireto fihetseham-po ireto:

O ranamana a, tsy azonao akory ny fandehany. Tezitra ireo olona satria nisy marika nipetraka sy hita fa an'olon-kafa ilay asa. Tsy miraharaha ianao, ny ekipa mpikarakara anao ihany no miraharaha izany. Mety tsy nisy zavatra fantatrao mihitsy aza ny momba izany raha tsy nisy niteny. Miteny daholo ireo olona rehetra hoe fanànana ara-tsaina an'olon-kafa anie io. Raha notenenina anao io, ny miala tsiny amin'ny anaran'ny ekipa mpandrindra anao sy misaotra ilay mpaka sary sy ilay nanao ny akanjo tamin'ny asany no tokony ho nataonao.

Raha nilaza ireo mpaneho hevitra sasany fa afaka nalaina tsy nisy ilay marika nipetraka taminy ilay sary, ny ankamaroan'ireo olona kosa nahatsapa fa ny zavatra kely indrindra tokony natao dia ny miala tsiny tamin'ny zavatra tsy nety ary manome izay tokony ho azy ilay mpaka sary sy ilay mpamorona akanjo. Araka ny napetrak'i nina_does_life:

@troubleman31 tsara kosa hoe nasianao hoe T tamin'ilay hoe “Tsy misy ilaivana azy” amin'izany valiny izany!! Ireo rah rah miaraka aminao ireo? Fanajana dia fanajana dia fanajana. Vita ny resaka.

Nisy adihevitra tao amin'ny pejy Facebook-n'i Ferreira mikasika ny Fepetra Fampiasàna ny Instagram; nahatsapa i Stayfano LB fa “malalaka sy misokatra ho ampiasain'ny hafa ireo zavatra rehetra nalefa ao amin'ny Instagram”, fa nazavain'i Ferreira tao amin'ny pejy Facebook-ny ny hevi-diso rehetra tamin'ny fandefasana izao sary manaraka izao, sady nilazany fa “manaisotra ireo sary ny Facebook (sy Instagram) rehefa andefasana tatitra izy ireo. Tsy atahorako ny hoe tsy hanaovany izany, fa mba makà fotoana indraindray. Olana kely eo amin'ny androko izay tokony ho nahafinaritra kokoa fotsiny iny.”:

Ny maha zava-dehibe ny ahazoana fahazoan-dàlana

Nahatsapa ireo sasany mpisera amin'ny Aterineto fa lasa tabataba be amin'ny zavatra tsy dia misy antony loatra ilay raharaha. Nilaza izao i Mark Anthony:

Mieritreritra aho hoe misendoatra be loatra amin'ny sary nalefa efa an-jato taonany ianareo, nampiasain'izy ireo tamin'ny fanasàna io fa tsy nisy resa-bola azo tamin'ilay sary natonta, ary mbola nandokandoka ny fahaizanao koa aza ilay lehilahy, tsy mieritreritra mihitsy aho hoe fantany hoe nisy olona tao amin'ny ekipany manampy azy nangalatra ny sarinao…

Namaly izao i Justina Newman:

Mark, tena tsy misy fahalalàna ny resaka halatra fizakàmanana mihitsy ianao. Tsy maintsy mandoa vola amin'ilay orinasa mpamokatra tequila ny ekipany ao amin'ny lafiny dokambarotra, tamin'ny fampiasàn'izy ireo ny sary famantarana azy. Tokony nampiasa soratra tsy voaaro amin'ny fizakàmanana izy ireo ary nandoa vola amin'izany, na ny mpanao dokambarotra vao nivoaka avy tany an-tsekoly aza mahalala tsara fa tsy mampiasa zavatra tsy anao ianao, raha tsy hoe mahazo fahazoandàlana voasotra. Atsaharo ny manameloka ny olona tratran'ny tsy rariny. Nangalatra ny ekipany, tratra izy ireo. Iray tafiditra amin'io ny anarany, noho izany mila manitsy an'io amim-pahamarinana izy.

Nanontany tena ireo sasany mpampiasa Facebook hoe ahoana ny fihetsehampon'ilay mpihira rap raha toa ka nifamadika ny raharaha. Nanao eson-teny i Billy Dc:

Toa mahatsapa izany izy satria hoe fanasàna fotsiny iny fa tsy itadiavam-bola, tsy zava-dehibe loatra. Midika ve izany fa afaka mitroka tsy ara-dalàna ny hirany aho raha toa ka ao an-trano fotsiny no hihaino azy?

Nahatsapa i Niall Legerton fa ny eso ao anatin'io zava-miseho io dia ny hoe tsy ala no fahitàn'i T.I ny hazo maro.:

Tsy misy dikany ary feno hambo ireo fihetsiny….. indrindra ho anà mpanakanto namana!

Exit mobile version