Fomba Iftar nentindrazana tsy lany hamamiana ao Bangladesh an-tsary 12

Chawkbazar of old Dhaka is the place for the traditional Iftar market in Bangladesh. According to historians, the market started before 1857. Image by SK Hasan Ali. Copyright: Demotix (30/6/2014)

Ny Bazarintsakafo ao Dhaka hatry ny ela no toerana misy ny tsenan'ny Iftar ao Bangladesh. Araka ny mpahay tantara dia efa nisy talohan'ny taona 1857 ny tsena. Saripikan'i SK Hasan Ali. Copyright: Demotix (30/6/2014)

Mivadika ho latabatra mivelatra ankalamanjana ny araben'ny renivohitra ao Bangladesh hanatontosana ny iftar, ny fotoana fihinanankanina mandritra ny volana Islamikan'ny fifadian-kanina antsoina hoe Ramzan, na Ramadan araka ny iantsoana azy amin'ny teny Arabika.

Mihoatra ny 90 isanjaton'ny mponina ao Bangladesh no Miozolomana. Koa tsy mahagaga rehefa amin'ny Ramzan — rehefa mifehy tena amin'ny fihinanana, fisotroana ary ny firaisam-batana manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro– no miova ny kolontsain-tsakafo ao amin'ny firenena.

Hatramin'ireo efitra fihinanana mirentirenty any amin'ny hotely mihaja ka hatramin'ireo mpivarotra an-dalana, dia manana sakafo manokana avelatra sy amidy ny rehetra. Raha jerena ny eny amin'ny arabe, mifindra toerana avy eny ankalamanjana mankeny an'arabe ny fitsetsatsetsan'ny lapoaly, ho fanintonan'ny mpivarotra ny mpanjifa.

Ity lahatsary ao amin'ny BDNews24.com ity no manome ny topimason'ny tontolon'ny tsenan'ny Iftar ao amin'ny tsena mahazatra ao Dhaka fahizay, izay lazain'ny mpahay tantara ho efa nisy tokony ho efajato taona izao.

Araka ny lazain'ny mpahay tantara, ny sasantsasany amin'ny “shahi” ao Dhaka na ny sakafom-panjaka mandritra ny iftar dia efa nisy hatramin'ny taonjato faha-16, raha mbola tao amin'ny Ampiran'i Mughal i Dhaka.

Shahi Jilapi

Shahi Jilapi (karazana menakely nalona tamin'ny ranontsiramamy), sakafo mamy mampalaza an'i Dhaka. Efa nisy hatramin'ny vanim-potoana Mughal. Sary avy amin'i Reporter#11455. Copyright: Demotix (21/7/2012).

Shahi Haleem

Shahi Haleem (lasopim-boanemba). Saripikan'i Reporter#11455. Copyright: Demotix (5/9/2009).

Shahi doi bora

Ny Shahi doi bora (kiendiendim-boanemba misy laron-tsakafo [episy] sy narotsaka anaty yaourt) dia sakafo manokana fikarakara amin'ny Iftar. Saripikan'i Fahad Kaizer. Copyright: Demotix (30/6/2014)

Ny blaogera Boka Manush Bolte Chai no manoratra:

ষোড়শ শতকে মোঘল সাম্রাজ্য বিস্তৃত হয়ে ঢাকায় ডেরা ফেলার সময়টায় তারা সাথে করে নিয়ে আসে তাদের রাঁধুনি দলকে। কারণ, মোঘলদের অন্যতম বৈশিষ্ট্য ছিল আরাম আয়েশ আর বিলাস বহুল জীবনাচার যার অন্যতম অনুষঙ্গ ছিল তাদের মুখরোচক নানান খাবার দাবার। আর এসব খাবারের অন্যতম উপাদান ছিল হরেক রকম মশলা আর তেলের যথেষ্ট ব্যবহার। আর মোঘলদের এই বিলাসী জীবন যাপনের জন্য সাথে করে বয়ে আনা কর্মচারী-খানসামা-বাবুর্চি একসময় যথেষ্ট হয়ে উঠে না, ফলে আশেপাশের লোকালয় হতে বহু লোকের চাকুরী জোটে মোঘল পরিবারসমূহে। অন্যান্য পদের মত হেঁসেলেও স্থান হয় কতিপয় রন্ধন কারিগরের। আর তাদের হাত ধরেই মোঘল খাবার প্রাসাদের বাইরে বিস্তৃতি পায়।

Tamin'ny taonjato faha-16 dia nanitatra ny fanjakany hatrany Dhaka ny Ampira Mughal. Rehefa nanorina ny tobiny voalohany tao Dhaka ry zareo dia nitondra ekipa manokana mpahandro hanina. Ankamamian'ny Mughals ny fiadanam-piainany ary miaina anatin'ny rendrarendra tokoa ry zareo. Iray amin'ny zavadehibe indrindra ao amin'ny fiainan-dry zareo ny fahaizana nahandro matsiro. Tafahoatra ny fampiasan'ny mpahandro sakafo ao amin-dry zareo larontsakafo sy menaka hanaovana sakafo matsiro. Tsy maharaka anefa ny isan'ny mpiasa-mpikarakara-mpahandro hanenjehana ny zavatra rehetra hahatomombana ny fiainan-drendrarendran'ny fianakaviana Mughals ka tsy maintsy nampiasa ny olona ao an-toerana ry zareo hikarakara azy ireo. Nozarina hahay ny nahandro Mughal ny sasantsasany amin'izy ireo. Avy amin'ny alalan'ireo mpahandro ireo no nielezan'ny nahandro Mughal ivelan'ny lapa.

Suti Kabab

Suti Kabab (sesika totokena naorarahana sira natao toy ny randrana). Saripika avy amin'i Reporter#11455. Copyright: Demotix (12/8/2010)

Raan

Tsatsika ‘Raan’ – Tongotra Hen'ondry Natsatsika – Sakafo malaza amin'ny mariazy ihany koa izy ity. Saripika SK Hasan Ali. Copyright: Demotix (30/6/2014)

Chicken roast

Akoho iray manontolo natsatsika hita ao amin'ny tsenan'ny Iftar. Saripika SK Hasan Ali. Copyright: Demotix (30/6/2014).

Osy Natsatsika

Osy iray manontolo natsatsika. Saripikan'i Firoz Ahmed. Copyright: Demotix (21/7/2012).

Boro baper polay khai

Rehefa mivarotra boro baper polay khai ny mpivarotra dia mihira ity poezia ity: boro baper polai khai, thonga bhoira loiya jai  na mihinana an'ity ny mpividy lehibe ary mividy fonosana iray ho entina any an-trano.

Ny “boro baper polay khai” malaza indrindra, vita amin'ny laron-tsakafo 13 loha ka tafiditra amin'izany ny dobera noempoina ahitana fangarom-boanjobory, atidohan'omby, hena manify, ovy, vary maina, atody, akoho. Saripikan'i Firoj Ahmed. Copyright Demotix (21/7/2012)

Tsy voafetra ao amin'ny fetim-pianakaviana ihany ny Iftar ao Bangladesh fa manamafy ny fihavanan'ny fiarahamonina ihany koa. Milaza ny pikantsary eto ambany “Mizara sakafo (Iftar) amin'ny Miozolomana mahantra fadiranovana an-jatony mandritra ny Ramadany ny Moanina Bodista. Ohatra iray amin'ny firindram-piarahamonina eo amin'ny antokom-pivavahana samihafa ao Bangladesh izany.”

Olona mivory mampiato ny fifadian-kanina ao amin'ny Ivontoeran'ny Mpianatra ho mpamianatra (TSC), Oniversiten'i Dhaka. Sarin'i Mohammad Asad. Copyright: Demotix (29/6/2015).

Asha manoratra ao amin'ny blaogy iray :

Ao Bangladesh, maro karazana ny sakafo nokarakaraina hampiatoana ny fifadian-kanina amin'ny fotoanan'ny Maghrib (vavaka hariva). Anisan'ny fahita amin'ny nahandro Bangladeshi ny Piyaji (vita amin'ny kobam-boanemba, tetika tongolo, sakay maitso [pilokely?]), Beguni (vita amin'ny tetika baranjely natao tao anatin'ny kobam-boanjobory), Jilapi, Muri ( vary natao poak'aty tahaka ny Rice Krispies ) ,  voanemba mavo, nalona tamin'ny rano sy norarahana tongolo, tongolo lay, chilli ary singa hafa fanao amin'ny iftar), Haleem, dates, sambosas Dal Puri (avy amin'ny lafaninina voanemba), Chola (voanjobory nohandrahoana), totokena tsondro, mughlai paratha (mody dipaina nendasina miaraka amin'ny hena manify sy laron-tsakafo), pitha, mofomamy Bengali nentin-drazana ary karazam-boankazo samihafa toy ny voanketsihetsy. Fahita mahazatra manerana ny firenena mandritra ny Iftar ny fisotro toy ny Rooh Afza sy ny limonady. Tian'ny olona ny manao iftar any an-trano ka ao daholo ny fianakaviana iray manontolo ary manomana iftar ihany koa ny Moskea.

Ny blaogera Mohammad Ilius Chawdhury manoratra ny fisian'ny firohotana tao amin'ny tsenambarotra iray nandritra ny fotoanan'ny Iftar ao amin'ny Somewhereinblog:

ইফতার সময়ের আধ ঘন্টা আগে এসেও দেখি এই লেভেলে তিল ধারণ করার স্থানটুকু নেই। সব সীট বুকড। তারপর করিড়োর, হাটার চিপা গলি, মেঝের মাঝখান সব খানেই ব্লকড। কিছু খাবার অর্ডার দিয়ে যে নিয়ে আসবো সেই পথটুকুও যেন বন্ধ। […]

Atsasakadiny mialoha ny fotoan'ny Iftar dia tonga teo amin'ny talatantalan'ny sakafo aho. Hipoka olona teo. Voafandrika avokoa ny toerana rehetra. Eny fa na dia amin'ny lalantsara aza, dia voabahan'ny olona miandry ny Iftar ny toera-pivezivezena sy ny ampahany amin'ny rihana. Tsy misy hevitra ny hanavatsavana azy ireo mba hanafarana sakafo Iftar avy eny amin'ny faritry ny sakafo […]

Exit mobile version