Ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i Shirin Jaafari hoan'ny The World ity dia navoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 12 Mey 2015 ary navoaka ato indray ato noho ny fifanekena fifampizarana votoaty.
Nitsidika an'i Kiobà ny Governoran'i New York, Andrew Cuomo, vao haingana ary nandritra ny fitsidihany, nanao sonia fifanarahana mety hanova ny fiainan'ny Amerikana maro izy.
Hanandrana ny vakIsiny tena ilaina indrindra iadiana amin'ny homamiadan'ny havokavoaka antsoina hoe Cimavax, namboarina tao Kiobà ny Ivontoerana momba ny Homamiadana Roswell Park ao New York, izay miara-miasa amin'ny Foibe Kiobàna momba ny fiarovana amin'ny aretina. Satria efa mihatsara ankehitriny ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy ny Kiobà, dia te-hahita i Etazonia raha afaka misitraka ny vakisiny izy.
“Vakisiny fitsaboana izany“, hoy i Neel V. Patel, namana tonian-dahatsoratra ao amin'ny Wired, nanazava momba ilay vakisiny. “Amin'ny ankapobeny, mihevitra isika fa ny vakisiny dia hanakanana aretina tsy hitranga. Miasa izy ity amin'ny fanairana ny rafi-piarovana aoanaty hiady tsara kokoa amin'ny homamiadana ary hanafika ny fivontosana amin'ny fomba mahomby kokoa.”
Miandry fotoana elaela ny vakisiny vao ho vonona ao Etazonia; mety tsy ho tafavoaka mihitsy aza. Na dia izany aza dia mampanontany tena ny fikarohana nahavitan'i Kiobà voalohany ny vakisiny.
Amin'ny maha-mpanao gazety momba ny siansa, manontany tena mikasika izay fandrosoana ara-pitsaboana hafa mety ananan'i Kiobà ka ahazoan'i Etazonia misitraka i Patel .
“Iray amin'ireo olana nitranga ampolotaonany vitsy izany. Tsy misy tena mahafantatra amintsika,” hoy izy.
Saingy manantena izy fa hitondra fifanakalozana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa bebe kokoa hahazoan'ny firenena roa tonta tombontsoa ny fifandraisana eo amin'i Kiobà sy Etazonia.