Euromaidan Enim-bolana Aty aoriana, Mampatsiahy Ny Zavatra Azo

Euromaidan, May 2014

Tsangambato fahatsiarovana teo amin'ny kianjan'ny Maidan Nezalezhnosti any Kiev, Okraina. May 2014. Sary avy amin'i Marco Fieber (CC BY-NC-ND 2.0)

Azo iverenana ao anatin'ny lahatsoratr'ilay mpanao gazety Okrainiana Mustafa Nayyem tao amin'ny Facebook tamin'ny 21 Novambra 2013 ny nanombohan'ilay hetsi-panoherana Euromaidan tany Okraina efa ho enim-bolana katroka izay, hetsika milaza ny hatezerana tamin'ny fanapahan-kevitry ny Filoha Victor Yanukovych tsy hanao sonia fanekena hitambatra amin'ny Vondrona Eoropeana. 

Misy lahatsoratra an'arivony hafa ao amin'ny Facebook sy ny Twitter mitantara ny hatezerana sy ny fahadisoam-panantenana, fa ity azy ity no nahasarika bebe kokoa ny sain'ny maro.

Okrainiana maro no milaza ity lahatsoratr'i Nayyem ity ho fanoitra tao an-damosin'ilay fidinana an-dàlambe voalohany izay nahatonga olona an-jatony vitsy ho eny amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kiev, avy eo dia narahan'olona an'arivony marobe. Izay no fiandohan'ny hetsi-panoherana izay naha-hipoka kianja lehibe ao an-tànanan'i Kiev, nitombo hatrany izany ka nahenika ny firenena, ary nojeren'izao tontolo izao tamin'ahiahy fatratra.

Nozarain'ilay mpanao gazety, Mustafa Nayyem, ireto antso ireto mba hisian'ny hetsika tao amin'ny Facebook tamin'ny 21 Novambra 2013. Sary avy amin'ny  @andersostlund ao amin'ny Twitter.

Nahazo vahana ka lasa zavatra goavana be ilay hetsi-panoherana fantatra tamin'ny Euromadian, nahatonga fihetseham-bahoaka an-dàlambe, fiverenan'ny hatanoran'ny fiarahamonim-pirenena, fandaminana ifotony anaty sy ivelan'ny aterineto, herisetra mahatsiravina sy fahafatesana, ary ny fanonganana ny filoha sy ny governemantany. 

Enim-bolana aty aoriana, miatrika hoavy heverina ho misy fanantenana, nefa ady vaovao ihany koa i Okraina, arahan'ny fakàna an'i Krimea, ny korontana any amin'ny faritra Atsinanan'i Okraina ary ny fanerena tsy miato ataon'i Rosia. 

Na inona na inona no hiseho any aoriana dia ho tsaroan'ireo nandray anjara tamin'ny hetsika Euromaidan foana ny zava-niseho nandritra ireo volana ireo, na ny tsara na ny ratsy.

I Tetyana Lokot avy any Okraina dia mpikaroka sy mpianatra PhD ao amin'ny Merrill, sekoly ambony fianarana momba ny asa fanaovan-gazety, Oniversite ao Maryland. Mianatra momba ireo hetsika sosialy, ny hetsi-panoherana an-tanàn-dehibe ary ireo haino aman-jery dizitaly tany amin'ireo firenena Sovietika taloha izy.

Mampiseho ireo kisarisary atao amin'ny rindrina any Podil distrikan'i Kiev, miaraka amin'ny iray amin'ireo teny fanevan'ny Euromadian ” rano indray mitete ao anaty ranomasim-be aho” ity sary ity. Sarin'ny vondrompiarahamonin'ny Strike Poster (Sariben'ny Fitokonana) ao amin'ny Facebook.

Exit mobile version