Befeqadu Hailu, Abel Wabela, Atnaf Berahane, Mahlet Fantahun, Zelalem Kibret, Natnael Feleke (mpikambana ao amin'ny fitorahana bilaogy iraisambe Zone 9 avokoa) sy Asmamaw Hailegeorgis, Tesfalem Waldyes ary Edom Kassaye mpanao gazety dia nosamborina ny Aprily 25 sy 26 2014 tany Addis Ababa. Nanomboka tamin'izay izy ireo notànana tao amin'ny toeram-pihazonana tany Maekelawi ary tsy misy fahazoana mpisolovava. Tsy nahazo alalàna hahita ny fianakaviany izy ireo.
Nanomboka tamin'ny taona 2012, ny fitorahana bilaogy iraisambe Zone 9 dia niasa mba hampaherezana ny firotsahan'ny vahoaka sy ny fanehoankevitra manakiana mikasika ny olana sosialy sy politika ao Etiopia, miaraka amin'ireo mpanao gazety mikatsaka vokatra mitovy amin'ny alalàn'ny asan'ny fanaovan-gazety. Ny fisamborana sy fitazonana azy ireo dia midika fandikàna ny zon'ny olombelona erantany ananan-dry zareo haneho hevitra malalaka, sy ny zony tsy ho voatana amin'ny tsy rariny, voaaron'ny Artikla faha-6 ao amin'ny lalàna Afrikanina mikasika ny zon'olombelona sy ny vahoaka.
Ny vondrom-piarahamoninaao amin'ny Global Voices sy ireo namanay anaty tambajotra ary ireo mpiara-dia aminay dia mitaky ny famotsorana ireo lehilahy sy vavy sivy.