Manerana Izao Tontolo Izao Izahay! Sary Avy Any Amin'ireo Nahazo Famatsiam-bola Bitiky ny RV

Nirakitra ny tetikasany manaraka ny fivoarany ireo nahazo ny famatsiam-bola bitiky ny Rising Voices eran-tany. Nisafidy sary vitsivitsy avy amin'ireo fijerena sary flickr, pejy Facebook ary vohikalan'izy ireo izahay, entinay mizara ny asa nataon'izy ireo nandritra ireo volana vitsy lasa.

DIZHA KIERU

 

SARINTANY HO AN'I NIGERIA

Toeram-pitsaboana ao Massama: Voarakitra anatin'ny sarintany!

 

Mirakitra an'i Harobanda anatinà sarintany amin'ny alalan'ny “moto”.

Fikirakiràna ny angona nandritra ny naha-tondraka kely ny efitrano fianarana tao Niamey…

TOBIN'NY MEDIA SY NY DEMOKRASIA AO BHUTAN

Nasaina tanatinà fivoriana “Mifandraisa amin'ny Mpanao gazety” miaraka amin'ireo tonian-dahatsoratra Needrup Zangpo avy ao amin'ny Bhutan Observer sy i Tenzing Lamsang avy ao amin'ny Bhutanese ireo mpandray anjara. Taorian'ny nihainoanay mikasika ny traikefany nandritra ny fifidianana amin'ny maha-mpanao gazety azy ireo, dia nanana fahafahana nanontany azy ireo momba ny heviny eo amin'ny akon'ny media sosialy, ny zon'ireo pretra, ary ny tsy fisian'asa izahay.

Hevitra fiarahan'ny saina maro mikaroka: Mizara ny heviny momba izay andrandrain'ny “vahoaka” amin'ny governemanta vaovao i Bagawath

Fikirakirana rakipeo vitsivitsy mandritra ny atrikasan'ny podcast.

 

ONJAM-PEO LOS INESTABLES

Exit mobile version