Bilaogy Anarivony Miresaka Zon'Olombelona Ao Amin'ny “Blog Action Day”

Androany (16/10/2013), anarivony ireo bilaogera nanambatra ny heriny hiresaka Zon'Olombelona. Blog Action Day anio (Andro Ho An'ny Bilaogy) – hetsika iray goavana izay tohanan'ireo bilaogera antapitrisa manerantany sy mampiray azy ireo.

Mpiara-miombona antoka amin'ny fanatenterahana ny “Blog Action Day” tamin'ity taona ity ny Global Voices, ary tsy andrinay ny hisian'ny fihodinana iray vaovao hirohotana hiresahana lohahevitra iray manan-danja sy tena ilaina. Ny sasany amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices koa dia nandray anjara tamin'io hetsika io, ary ireto ambany ireto ny rohy ahitanareo ny bilaogin-dry zareo tsirairay avy.

Mba handraisana anjara amin'ny Blog Action Day dia azonao atao ny manoratra ny bilaoginao ao amin'ny Bilaogin'ny Blog Action Day. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra entina manara-maso azy ity dia ny #BAD13, #HumanRights, #Oct16.

Lalàna Mivoitra Hanampiana Ireo Sembana Ara-pahitàna ao Japana. Avy amin'i Miki Yoshihito tao amin'ny Flickr (CC BY)

Japan | Is Japan Ready to Host the Paralymics? (Vonona ny Hampiantrano ny lalaon'ireo Sembana ve i Japana)
Niger | A Life With No Rights (Fiainana Tsy misy Zo)
Hungary | Asylum-seekers Continue Hunger Strike in Hungary (Manohy Fitokonana Tsy Hisakafo Ireto Mpangataka Fialokalofana)
Australia | Catholic Cardinal Centre of Child Sexual Abuse Scandal (Tantara Ratsy Mahavoarohirohy Foibe Katolika Fitaizana Ankizy Aminà Fanararaotana Ara-nofo)
Egypt | Where Are the Rights of Egypt's Most Vulnerable Children? (Aiza ny Zon'Ireo Ankizy Tena Marefo Ao Ejipta)
Yemen| What Human Rights Do Yemenis Have?!( Zon'Olombelona toy Inona No An'ireo Yemenita?1)

This post will be updated throughout the day as new blogs are published.

 

 

Exit mobile version