Nanangana ny sendikan'ny mpifindramonina voalohany ireo Filipina mpanjono miisa 99 any Yilan,Taiwan, telo taona taorian'ny fanavaozan-dalàna mikasika ny sendikàn'ny mpiasa, manome alalana ny vahiny mpifindra monina hanangana sendika ho azy ireo manokana.
Ny 25 May 2013 no natsangana ny sendikà, saingy ny ampahany amin'ireo mpiasa ara-dalàna ao Taiwan fotsiny no voasolotena amin'izany – ankehitriny, izay efa mihoatra ny 6.000 [zh] ry zareo. Indoneziana ny ampahany maro amin'izy ireo, ary avy any Vietnam sy Filipina kosa ny ambiny. Tsy niditra sendikà ny ampahany maro amin'izy ireo ka araraotin'ny mpampiasa.
Nitatitra [zh] ny fanaovana tsy rariny mahazatra eo amin'ny asa ho an'ireo mpanjono nifindra monina ny fantsom-baovao tsy miankina ao Taiwan Pots.com:
Jose Toquero說,契約上寫8小時,但若漁船故障需等到隔天,往往從晚上11點開始連續工作14個小時,而遠洋一次出海就需三、四天的作業,也很難明確劃分工作與休息。「我們沒有真正的休假,雖然滿月時不會出海,一個月本來規定有五天休假,但如果還需要補網子、做其他的工作,常常整個月都沒有休假,而且能不能休假也要看雇主,有的雇主完全不讓你休息。」
Nanambara i Jose Toquero fa tokony ho adiny valo araka ny taratasim-pifanarahana ny ora fiasàna, raha misy olana ny sambo fanjonoana, dia mila miandry andro hafa indray izy ireo hahafahany miala amin'ny sambo. Miasa adin'ny 14 isan'andro ry zareo ary manomboka amin'ny 11 ora alina. Ankoatr'izay raha mandeha lavitra ny ambony sambo ka mandeha any amin'ny ranomasina lalina, dia maharitra telo hatramin'ny efatra andro eo ho eo ny dia. Sarotra ny mamaritra ny ora fiasàna sy ny ora fiatona amin'izany. Niteny i Jose: “Tsy manana fialan-tsasatra izahay ny tena marina, raha jerena ny taratasim-pifanarahana dia tsy mandeha manarato izahay rehefa diavolana ary tokony hanana andro tsy fiasana dimy ao anatin'ny iray volana. Na izany aza, raha tokony hanao asa hafa toy ny manamboatra ny harato (fitana) izahay dia tsy manana izay tena fialan-tsasatra akory. Miankina amin'ny mpampiasa ihany ny fananana andro tsy fiasana na tsia. Misy mpampiasa sasany tsy mamela anao haka fiatona kely.”
Milaza i Rolando (Mahinay) fa 8000 dolara Taiwan vaovao [266 dolara amerikana] ihany no azony ho karama isam-bolana nandritra ny 18 volana voalohany satria efa nesorina tamin'ny karamany avokoa ireo sara madinidinika, izay mihoatra ny 10 000 dolara Taiwan vaovao isam-bolana [333 dollars amerikana]. Rehefa niresaka taminy aho, dia tsikaritro fa nivoaramena ireo masony. Nolazainy fa antsoin'ny mpampiasa hanao ny asa rehetra ankoatra ny fanaratoana izy. Voa ny masony nandritra ny faninginana tsy misy fiarovana sahaza ho amin'izany.
Nitatitra i Jose Toqueron, mpandrindra ao amin'ny birao, fa te hifandinika amin'ireo mpampiasa amin'ny alalan'ny sendikà ny mpiasan'ny jono hamahana ny olan'ny fiasana maharitra sy ireo ora tambin-karama tsy mbola voaloa. Ny fifanarahana nosoniavin'ny mpampiasa azy ireo, talohan'ny nahatongavana ao Taiwan, fa tokony ho adiny valo ny ora fiasana. saingy, sarotra ho azy ireo ny hirava asa raha mbola misy olana ny sambo fanjonoana.
Noho ireto mpikambana ao amin'ny sendikà saiky avy amin'ny fikambanan'ny mpanjono Ilonggo (The Ilonggo Seafarers Organization) avokoa, dia avy any filipina ny ankamaroan'ny mpikambana. Nanindry ihany anefa i Jose fa te hanitatra ny haben'ity sendikà ity ry zareo. Rahatrizay, dia te hanampy na ny mpanjono Indoneziana na ny mpanjono Filipina izy ireo… Tonga nanotrona azy ireo mba handrato ny fomba fananganana sendika ihany koa ny fikambanan'ireo mpiasa mpifindra monina avy any Kaoksiung sy Pingtung, izay malaza ihany koa amin'ny indostrian'ny fanjonoana.
Na dia efa nolaniana roa taona lasa aza izay ny fanitsian-dalàna momba ny Sendika ary afa-manangana sendikà ho azy manokana ireo mpiasa mpifindramonina, dia tsy misy ny fepetra fanampiny hafa ampy. Ny fiteny, ohatra, dia efa olana lehibe. Tsy mahay fiteny shinoa ny ankabeazan'ireo mpiasa mpifindramonina, sarotra ho azy ireo noho izany ny hahafantatra ny antsipirihan'ilay lalàna. Ankoatra izay, tsy manana ora fiasana raikitra ny asa eny an-tsambo satria betsaka ny zavatra mety hitranga eny. Dia tena sarotra ny manomana fivoriana ho an'ny mpanjono rehetra miasa amin'ny sambo samihafa indray miaraka.