Bolivia: Oraniôma Radioaktifa Notazonina tao La Paz?

Tamin'ny 28 Aogositra 2012, noraofin'ny fitondram-panjakana boliviana ny vainga, voalaza fa uranium na singa radioaktifa milanja roa taonina izay niainga avy tamina tranon'olona manokana ao amin’ny  distrika afovoan'i La Paz, manakaiky ny birao diplaomatika maro, [nefa] tsy nahitana fepetram-piarovana na fiambenana natao taminy.

Ny Governemanta Carlos Romero no nitarika ny hetsika,  izay notanterahin'ny vondrona polisy manokana. Taty aoriana, nampahafantatra [es] Andriamatoa Romero fa araka ny fitiliana sy ny fanadihadiana natao tany amin’ny laboratoara dia “tsy radioaktifa” ilay vainga. Tsy misy noho izany ny loza “ ara-pahasalamana” mety aterany.

Na dia izany aza, nanambara ihany koa i Romero fa efa nisy ny fanadihadiana fanampiny nataon’ny Sampan-draharana Nasionaly misahana ny vohontany sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Sergeotecmin [es] sy nataon'ny Ivon-toerana Boliviana Misahana ny Siansa sy ny Teknolojia Nokleary. Tsy mbola mazava noho izany ny maha-radioaktifa na tsia ilay vainga.

Nandraoka 2 taonina oranioma ny polisy tao Sopocachi, La Paz, ny 28 aogositra. Sary nozaraina tamin ny alalan ny Twitpic avy amin ny mpisera Twitter @pagina_siete

Nitantara ny zava-misy avy hatrany ny fampahalalam-baovao mahazatra ary namoaka izany nandritra ny tontolo andro. Ahiahy sy fanehoan-kevitra, ahitana vazivazy koa, hita tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy tamin’ny alalan’ny tenifototra hoe #uranio.

Mpamahana bolongana sady mpanao gazety Andres Gómez Vela naneho hevitra tao amin’ny kaonty Twitter-ny (@andrsgomezv) [es]:

@andrsgomezv: Ojo, Bolivia no produce #uranio, ¿de dónde apareció este cargamento? Quizás Estaba en tránsito hacia a otro país, dice Viceministro Pérez

@andrsgomezv: Ataovy ao antsainao, tsy mamokatra oraniôma i Bolivia. Avy aiza izany zavatra izany? Angamba nandalo teto avy any amin’ny firenen-kafa, hoy i Pérez, minisitra lefitra.

Fanampin’izany, tsikerain’ny mpiserasera ny tsy fetezan'ny fomba nangalana sy nikirakirana ireo ahiana ho vainga radioaktifa teo amin'ny toerana nakana azy voalohany.

Sioka anisan'ny voalohany indrindra nalefan’I Fernanda San Martin (@Fer_SanMartin) [es] naneho hevitra mikasika izany olana izany, ka niteraka valinteny avy hatrany avy amin’ireo bilaogera  sy mpisera Twitter  Mario Duran (@mrduranch) [es]:

@mrduranch: @Fer_SanMartin ¿fuente? #uranio ? ese material debe manejarse cubierto en recipiente de plomo es peligroso

@mrduranch@Fer_SanMartin avy aiza? #uranio (uranium)? Tsy maintsy tehirizina anaty kaontenera tsara hidy ny toy izany, mampidi-doza io.

Andres Gómez Vela (@AndrsGomezV) [es] nanasongadina hoe:

@AndrsGomezV: Algunas dudas #uranio: hasta ahora ningún experto lo vio ni certificó y si era tan radiactivo ¿por que transportaron como si fuera arena?

@AndrsGomezV: Misalasala ny sasany #uranio: hatramin’izao mbola tsy nisy manam-pahaizana nijery sy nanamarina raha radioaktifa ilay vainga na tsia. Nahoana no notaterina toy izao izy io?

Renan Justiniano (@renanjustiniano) [es] namehy hoe:

@renanjustiniano: Si el mineral encontrado ayer es #uranio lo primero que deberia haber hecho era ver si era radiactivo no llamar a la prensa! #bolivia

@renanjustiniano: raha #uranio (uranium) ilay vainga hita omaly, ny zavatra voalohany tokony ataon’izy ireo dia ny manamarina raha radioaktifa izany na tsia fa tsy ny fiantsoana mpanao gazety! #bolivia

Mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ny maha radioaktifa na tsia ireo vainga noraofina tao La Paz.

Exit mobile version