Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] kosa no nanambaran'ny Masoivoho Frantsay Jean-Marc Châtaigner fa ireo rakitra ireo dia efa misokatra malalaka hoan'izay mpikaroka tsy an-kanavaka.

Exit mobile version