Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

30 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 30 Marsa 2012

Mankalaza Ny Fifidianana Vita Am-pilaminana I Sénégal Ka Mampistsiriritra Ireo Mpifanolo-bolodirindrina Aminy

Toarian'ny fahareseny nanoloana ny praiministrany teo aloha sady mpifaninana taminy, Macky Sall, tamin'ny 25 martsa 2012, ny Filoha Me Abdoualye Wade dia niantso an-telefaonina ilay efa azo antoka ho mpandresy mba hiarahaba azy.. Mankalaza ny fifidianana natao tanaty filaminana ry zareo Senegaly, izay nahafahana namoaka ny fifandimbiasana politika. Na izany...

Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka...

‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray

Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.