An-jatony vitsivitsy ireo vahoaka nivory tao Koety androany mitaky ny “governemanta vaovao”, sy praiminisitra vaovao, ary fomba fiasa vaovao.” Na dia misy aza ireo miteny fa i Koety dia miezaka manatratra ny rivo-panovàna mitsoka mahery eo amin'ny tontolo Arabo, ny hafa anefa mandà izany, milaza fa tsy misy ifandraisany amin'ny firenen-kafa ny fihetsiketsehana ao Koety . Na izany aza, firenena Arabo i Koety, izay ezahin'ireo tanora hitondrana fanovàna.
Fihetsiketsehana, izay nilamina tanteraka, saingy vitsy tsy araka ny no-eritreretina ny olona. @Sultan7879 lahatsoratra, sarin'ny fihetsiketsehana:
Mpanao fihetsiketsehana ao Koety mitaky governemanta vaovao, sy praiminisitra vaovao
نظرا لاغلاق ساحة الصفاة، ندعو أبناء الشعب الكويتي الى التوجه الى ساحة التغيير، الساعة 7 مساء اليوم، مقابل مجلس الوزراء، بجانب البنك المركزي
Satria mikatona ny kianjan'i Koety, dia manentana ny vahoakan'ny Koety izahay handeha ho eny amin'ny kianjan'ny fanovàna, amin'ny 7 maraina, eo anoloan'ny filankevitry ny minisitra, akaikin'ny banky foibe.
Raha manontany ianao hoe aiza no misy ny kianjan'ny fanovàna, satria tsy hitanao amin'ny sarintany mihintsy izy, ity ny fanazavana avy amin'ny @eL_aldstor :
( التجمع اليوم أمام مجلس الوزراء .. في الساحة المقابلة بجانب الدوار وتسمي من اليوم ( ساحة التغيير
Ny famoriam-bahoaka androany dia eo anoloan'ny filankevitry ny minisitra eo amin'ny toerana akaikin'ny fiodinana. Manomboka androany, dia ho antsoina hoe Kianjan'ny Fanovàna ny anarany.
@ShagranQ8 dia nanandrana ny hahafantatra marina fa maninona ny nohidiana tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny kianjan'i Safat:
سبب تغيير ساحة الصفاة حسب ظني هو:السلطة لاتريد لهذه الساحة أن تبرز إعلاميا في حال سلّط الإعلام”الخارجي”الضوء على مكان التواجد لطمس تاريخيتها
Ny antony namindrana ny toerana hamoriam-bahoaka ao amin'ny kianjan'i Safat, dia mino aho fa satria tsy tian’ ny fitondrana sao voasoratra [anaty vaovao] ny anaran'ilay kianja raha ohatra ka mitodika any ny mpanao gazety vahiny.
Nanazava ny @walladah fa maninona no manao fihetsiketsehana izy :
سأعتصم اليوم الساعة السابعة مساءاً مع الشباب من اجل حكومة جديدة بنهج مختلف …فهل ستعتصم معنا ليكون الصبح في بلادنا أكثر إشراقاً ؟
Androany, dia andeha hamonjy fihetsiketsehana aho amin'ny 7 hariva miaraka amin'ireo tanora mba hitaky governemanta vaovao sy fomba fiasa vaovao. Handeha hamonjy fihetsiketsehana miaraka aminay ve ianao mba hamirapiratra eto amin'ny firenentsika ny fiposahan'ny masoandro?