Nifarana ny andiany fahenina tamin'ny fifaninanana teo amin'ny “Bilaogy tsara indrindra nandritra ny taona”, ary efa nolazaina ny valiny. Amin'ity taona ity (toy ny tamin'ireo andiany maro teo aloha), dia nozaraina ho ambaratonga telo ny fifaninanana rehetra. Ny ambaratonga voalohany – dia ny fanendrena amin'ny ankapobeny, ny faharoa – dia fifidianana amin'ny alalan'ny SOMESO sy ny fifantenana ireo mpandray anjara ara-tsokajy tafakatra amin'ny dingana famaranana, ary fahatelo sady farany, misy komity manokana misafidy ireo mpandresy. Fanampin'izany, samy manana ny mpitsarany avy ireo sokajy tsirairay ireo ao amin'ireo mpikambana ireo, olona iray notendrena sy mahafantatra tsara ilay votoatin-dresaka.
Ny bilaogy tsara indrindra tamin'ny taona 2010, dia ny bilaogy tsara indrindra araka ny safidin'ny mpitoraka bilaogy (mari-pankasitrahana natolotr'ireo mpitoraka bilaogy izay nandresy tamin'ny taona maro teo aloha) ary ny bilaogy tsara indrindra teo amin'ny sokajy “Ny Tiako” dia azon'i Mateusz Biskup, ny mpanoratra ilay bilaogy dia i Zapiski z Granitowego Miasta (“Lahatsoratra nalaina tao amin'ny City of Granite”).
Ny sokajy hafa:
Ny tantaran'ny fiainako sy ny mombamomba ahy – ny mpandresy dia i Andzia i jej nieborak – tantaran'olona anankiroa izay voan'ny aretina homamiadana
Eo amin'ny resaka asa – i PiotrWajszczak.plno mpandresy – miresaka momba ny tsiambaratelon'ny varotra sy ireo ambaratonga isan-karazany eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra
Politika sy ny fiaraha-monina – ny mpandresy dia i Tuudi – manazava ny tena dikan'ny hoe fahafahana, nosoratan'olona iray teratany Silesia izay mankasitraka fanavaozana ara-politika
Fitsidihan-tany – i Klapki Kubota State of Mind no nandresy – fandehandehanana maneran-tany tao anatina fiara iray hita kisendresendra
Kolotsaina – i O sztuce no nandresy- bilaogy manokana momba ny zava-kanto
Sary, sary mihetsika, fampisehoana an-dapihazo mahatsikaiky – ny nandresy dia i Transfokator – olona mpametraka sary anaty bilaogy
Literatiora – ny nandresy dia i Paczucha.blog – tantara momba ny fijaliana sy fahasambarana eo amin'ny fiainana
Hafahafa sy ny tsy hafahafa - i Elka Gra no nandresy- nosoratan'olona efa tsy dia tanora loatra intsony kanefa mpiasa mavitrika ao amin'ny fitondran-draharaham-panjakana
Ny fahatanorana – i Bieber Forever no nandresy- tantara ana tanora anankiroa izay mahalala tsara ny tena fiainana
Nahafinaritra sy nahataitra ahy ny rivotra nanodidina izany, ny hery izay tsara dia tsara, ny fahaiza-mandamina ny asa sy ny hatsaran'ireo bilaogy rehetra izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana tamin'ity taona ity.
Nanoratra tao amin'ny lahatsorany misy sarimihetsika ihany koa i Maciej hoe, isaorana ity fifaninanana ity, efa eo an-dalam-piforonana izao ny raki-tahiry tsara indrindra eo amin'ny kalitaon'ny bilaogy poloney ary io no toerana tsara indrindra ahitana tantara vaovao sy ahitana mpitoraka bilaogy vaovao.