Tanatina tsiky maharendrika, satroboninahitra mamiratra sy mpanotrona marobe mihorakoraka sy feno fankasitrahana, tamin'ny Alatsinainy alina teo no nibata ny fandresena ny Oliravina Mexico 2010 i Jimena Navarrete tamin'ny Fifaninanana Oliravin'ny Tontolo [Miss Universe contest] tamin'ity taona ity izay natao tao amin'ny Mandalay Bay Resort sy ny Casino tao Las Vegas, Etazonia. Tamin'ny naha-vahiny nasaina azy ireo dia i Natalie Morales sy Bret Michaels no nanolotra ireo sokajy samihafa nisy ireo mpifaninana nahavalalanina, Nifampizara fanamarihana tamin'ny alalàn'ny tenifototra (#missuniverse sy ny dikany amin'ny teny Espaniola, #missuniverso) mifandraika amin'ilay lohahevitra ireo mpampiasa Twitter manerantany, nanehoan-dry zareo ny tombony ho azy ireo sy ny fanohanany. Ireo Meksikana mpampiasa Twitter, indrindra indrindra, dia namoaka fanamarihana maromaro mahatsikaiky ary taorian'ilay fifaninanana.
Jorge Miranda (@Georgepogoda) dia nanome soso-kevitra [es] an-dry zareo Meksikana mba hankalaza izany eo amin'ny tsangambaton'ny sarin'anjelin'ny fahaleovantena, iray amin'ireo tena endrika maneho ny renivohitra, ny tanànan'i Mexico:
Si gana la de México nos vamos al angel? #missuniverso
Nony nambara fa ny mpifaninana Meksikana no mpandresy, nanomboka nitosaka isan-tsegondra ireo bitsibitsika (tweets). Ity fanamarihana ity [es] dia nalefan'i Alex Torres (@psicoloco), sady nanamarika roa tamin'ireo vaovao lehibe teo amin'ny firenena koa izy: ny fankalazàna tsy ho ela ny “Bicentenario”, na ny ‘faha-roanjato taona’ ( hankalazàna ny faha 200 taonan'ny fahaleovantena Meksikana) sy ny lalàna vaovao mamela ireo mitovy nefa mifanambady mba ho afaka manangan-jaza:
“Bien! Tenemos #MissUniverso por 2da vez! Esto es para celebrar el #Bicentenario y las #BodasGay!”
Mpampiasa iray hafa, Gilberto Ruiz (@gilber7), no naneho hevitra somary nanafintohina [es],
TENDREMOS NARCO! TENDREMOS VIOLENCIA!! NUESTRO GOBIERNO VALE MADREEEE!! PERO DE QUE SOMOS BONITOOOOOOS!!! LO SOMOS!!! #MissUniverso
Raha teo ampandraisana satroboninahitra i Navarrete, nisy hetsika hafa nanan-danja nitranga ihany koa tao amin'ny firenena. Sahala amin'izay itateran'i [es] Hugo Camacho (@hugocamacho) hoe:
Mientras la MEXICANA estaba siendo coronada como la #MissUniverso un terremoto de magnitud 6,4 sacudió la costa oeste de México.
Ny National Seismological Service (SSN) – Sampan-draharaha Mpanara-maso ny Fihetsehan'ny tany ao Mexico dia nanamafy io vaovao io.
Antuan Diaz (@antuan_diaz) kosa nilaza [es] momba ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitra ao Mexico ao anatin'ity bitsika ity:
11 hombres mexicanos de la selección no pudieron con la #WORLDCUP .. pero 1 sola mujer pudo con #MISSUNIVERSO Felicidades C:
Faviola Martinez (@favyprincess), toy ireo maro hafa, dia naneho ny [es] fientanentanany:
VAMOS por el MARIACHI y unos TEQUILAS para celebrar #MissUniverso
Ankilan'izay, Zayra Alvarez (@zay_alvarez) nitondra fanamarihana [es] amin'ireo fanehoan-kevitra mikasika tranga hafa izay ahafantarana manokana manerantany an-dry zareo Meksikana:
Cuando estudiantes del IPN o la UNAM ganan concursos mundiales de ciencia a todos les vale madres, pero no fuera #missuniverso porque ahí sí
Farany, ny Oliravin'ny Tontolo taona 2010 dia naneho ny [es] hafaliany sy fankasitrahany tao amin'ny kaontiny manokana ao amin'ny Twitter (@ximenaNR):
Gracias a todos …los amo!!!!! Los veo al rato!