Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana tao Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Navotsotra izy ireo fotoana kely taorian'izay ary nizara ny fijoroan'izy ireo vavolombelona tamin'ny “nakàn'ireo manampahefana an-keriny” azy ireo sy ny tsy fahafahan'izy ireo naneho ny fiaraha-mionona amin'ny fianakavian'ireo niharan-doza.
Mpitoraka blaogy voatana
Wa7da Masrya, vehivavy mafana fo notànana niaraka tamin'ireo mpitoraka blaogy eto amin'ny sary, dia nanoratra tao amin'ny blaoginy:
ركبنا سيارة الترحيلات و كانت قذرة و مظلمة و ضيقة سيارة الترحيلات مكتوب عليها من برة تحت جنب النمرة “لنقل المساجين” في رأسي جاءت ميت فكرة و راحت “هو إحنا مساجين؟” “هو إحنا عملنا إيه؟” “هما حياخدونا فين” بالرغم من الاسئلة دي كلها لم ينتابني لحظة خوف واحدة لأني أعلم تماما أننا على حق
Niakatra tao amin'ilay kamiao izahay ary niaina voalohany indrindra ny haizina, ny loto sy ny fahatsapàna ho mihiboka. Teo akaikin'ny takelaky ny Laharam-pamantarana ny fiara, misy soratra manao hoe “Ho Fitaterana Gadra” dia nanomboka nanontany tena aho hoe gadra ve izahay nefa tsy hita izay atao fa manontany tena hoe inona no anamelohana anay ary aiza no hitondràna anay. Ankoatra ireo fanontaniana an-jatony nibosesika tao an-dohako, tsy nisy mihitsy ny fotoana nananako tahotra na fanahiana satria fantatro fa anananay ny zo rehetra [mandeha any Nagaa Hammady].
ونؤكد كشباب مصري يعتز بوطنه وانتمائه ويعلي قيمة المواطنة أننا لم نكن يوماً من مثيري الشغب، وأننا لم نتجمهر في نجع حمادي ولم نكن ننوي التجمهر كما حاولوا التلفيق لنا، بل كانت زيارتنا لنجع حمادي مواساة لإخواننا الأقباط في مصابهم الذي هو مصاب مصر كلها، وأننا أحرص الناس على الوحدة الوطنية التي اتهمونا بمحاولة الإضرار بها. كما نعيد التأكيد على أن زيارتنا لم تكن منظمة من قبل أي حزب ولا حركة، وكل من يدعي خلاف ذلك فهو مجافٍ للصواب. جمع السجن بيننا كمسلمين وأقباط، لأننا مصريون في وطن واحد وسجن واحد، ولن يثنينا ما حدث لنا عن العمل كنشطاء مصريين مستقلين من أجل تعميق روح المواطنة وتحقيق معنى الوحدة الوطنية الحقيقي. دامت مصر بأمن وسلام
Amin'ny maha-tanora Egiptiana tia tanindrazana, mino ny tena dikan'ny maha olom-pirenena izahay ary tsy mpanakorontana na mpanenjika laza. Raha nandeha tany Nagaa Hammady izahay dia tsy niady na niantsy ady araka ny nanamelohan'izy ireo anay; ny anton-dianay dia ny haneho fiaraha-miory amin'ireo Copts mpiara-belona aminay sy hanamafy ny firaisankinam-pirenena izay nolazain'izy ireo fa nosimbainay. Te-hanasongadina indray izahay fa tsy misy ifandraisany tamina antoko na fihetsiketsehana ny fitsidihanay ary mandainga izay miteny ankoatra izany. Silamo sy Kristiana izahay no nitambatra tanatina efitra iray, nitovy ny niampangàna, ary firenena mitovy no narovàna. Iray izahay ary tsy misy afaka mampangina ny fahalalahan'ny feonay ho an'ny hafanam-po. Tsy hampanalavitra anay amin'ny iraka miandry anay mba hampahery sy hampiraikitra lalina ny firisankinam-pirenena izay zava-nitranga … ho ela velona anaty fandriampahalemana sy filaminana anie Egipta.