Indro ny antsipiriany ao amin'ny Fanontaniana miverimberina matetika (FAQ):
Contents
Nanokana toerana telo ny Filankevi-pitantanan'ny Global Voices ho an'ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina izay nofidian'ny vondrom-piarahamonina GV. Ny toerana iray ametrahana nifanaraka arak'asa GV isan-taona, ary ny toerana roa hafa an'ny volantera GV. Miasa ao amin'ny filankevi-pitantanana mandritra ny telo taona ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina.
Hotontosaina amin'ny 10-15 avrily 2023 ny fifidianana. Tahaka izao ny fandaharam-potoanan'ny hetsika rehetra amin'ny fifidianana:
Efa notondrain'ny birao filan-kevi-pitantanana ny tale mpanantanteraky ny GV, Ivan Sigal, sy ny talempitantanan'ny GV, Georgia Popplewell, ho tompon'andraikitry ny fifidianana. Vokatr'izany dia tsy handrotsa-bato amin'ny fifidianana birao Ivan sy i Georgia.
Amin'ny fifidianana ny Mpifanaraka arakasa dia horaisina ho mpandresy ny kandidà mahazo vato be indrindra. Amin’ny fifidianana volantera, ireo kandidà roa voalohany mahazo vato be indrindra no horaisina ho mpandresy.
Raha te hirotsaka ho mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana ianao dia tokony ho mpikambana tsara laza ao amin'ny Vaomieran'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.
Ny toeran'ny Solontenan'ny Mpifanaraka arakasa dia azon'ny mpikambana rehetra tsara laza ao amin'ny Vaomieran'ny vondrom-piarahamonina GV ifaninanana ary mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
Ny toeran'ny solontenan'ny volantera dia azon'ny mpikambana rehetra tsara laza ao amin'ny Vaomieran'ny Vondrom-piarahamonina GV ary mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
1) TSY mitarika sampan-draharahan'ny Global Voices (i.e. Newsroom, Rising Voices, Lingua), (izany hoe tsy Tonian-dahatsoratra ao amin'ny Newsroom, Mpitantana Fandikan-teny), ary tsy mitana toerana ifanarahana arakasa isan-taona ato amin'ny GV.
2) nanao iray na maromaro amin'ireto manaraka ireto tao anatin'ny taom-piasana farany (izany hoe nanomboka tamin'ny marsa 2022):
Afaka manendry kandidà izay olona efa namoaka ranty tao amin'ny tranokalan'ny GV.
Azonao atao ny mandefa fanendrena amin'ity famenoan-taratasy ity. Alohan'ny hanendrena olona iray dia ataovy izay hahazoana antoka fa:
Eny, tonga soa ny olona hanolotra ny tenany ho kandidà!
Eny. Ny mpikambana ao amin'ny biraon'ny Global Voices dia afa-miasa hatramin'ny fe-potoana roa.
Andraikitry ny solontenan'ny biraon'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny GV ny miantoka fa manao izay mety indrindra ho an'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV ny fikambanana, amin'ny alàlan'ny fanaovana ireto:
Hamaly andiam-panontaniana maromaro ao amin'ny Blaogin'ny vondrom-piarahamonina ireo mpifaninana, arahan'ireo fitaovana fanohanana mety, ao anatin'izany ny horonan-tsary, sary, hafatra am-peo, sns.
Asaina avy eo ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina hanontany ireo kandidà ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra amin'ny lahatsoratra bilaogin'ny kandidà tsirairay. Raha tsy manana kaonty bilaogin'ny vondrom-piarahamonina ianao dia angataho ny tonian-dahatsoratrao na ny mpikambana ao amin'ny ekipa atidoha hanangana iray ho anao.
Eny, afaka mampiasa ny GV Community Google Group ny kandidà hanaovana fanentanana, rehefa voamarika mazava hoe “[Hafatra Fanentanana Fifidianana GV]” ny fifandraisana.
Eny. Hiharan'ny fanilihana avy hatrany amin'ny fifidianana izay kandidà manaisotra, manimba na manelingelina amin'ny fomba isankarazany ny fitaovana fanentanan'ny kandidà hafa, na mandidy olona hafa hanao izany amin'ny anaran'izy ireo.
Izay rehetra mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ka mahafeno ireto fepetra manaraka ireto no afaka mandrotsa-bato amin'ny fifidianana:
1) efa mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina na nandray anjara tamin'ny tetikasa Global Voices iray nandritra ny telo volana farafahakeliny, na nifanaraka arakasa isan-taona tato amin'ny Global Voices
2) efa namoaka ranty tato amin'ny tranokalan'ny GV indray mandeha fara-fahakeliny tao anatin'ny dimy taona farany (izany hoe nanomboka ny 1 martsa 2018)
Tsy ho ela dia hahazo mailaka manamarina ny fahafahany mifidy ireo mahafeno ny fepetra.
Raha tsy azonao antoka fa mahafeno fepetra hifidy ianao dia miangavy anao hanatona ireo mpitantana ny fifidianana ho fanamarinana.
Ny latsa-bato dia hatao amin'ny alalan'ny seha-pifidianana an-jotra. Handefa torohay bebe kokoa sy torolalana amin'ny antsipiriany momba ny fifidianana rehetra izahay rehefa akaiky ny datin'ny fifidianana.
Eny. Izay rehetra afaka mifidy dia handrotsa-bato telo: iray amin'ny fifidianana ny mpifanaraka arakasa, ary ny roa ho amin'ny fifidianana ny volantera.
Amin’ny fifidianana ho solotenan’ny mpifanaraka arakasa dia horaisina ho mpandresy ny kandidà mahazo vato be indrindra. Amin’ny fifidianana ho solontenan'ny volantera dia ireo kandidà roa voalohany mahazo vato be indrindra no horaisina ho mpandresy.
Raha misy ny fitovian'isa, dia hanao fifidianana fihodinana faharoa isika eo amin’ireo kandidà nahazo vato mitovy.
Tahaka ireo orina tsy mitady tombontsoa hafa rehetra, ny GV dia fehezin'ny filankevi-pitantanana. Hitanao ato ireo mpikambana ao amin'ny birao amin'izao fotoana.
Misy toerana sivy ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices amin'izao fotoana. Ny roa amin'ireo toerana ireo dia natokana ho an'ny mpanorina ny GV (Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon), ny telo ho an'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV ary efatra ho an'ny olon-kafa nofidin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana. Ireo mpikambana efatra ao amin’ny birao ivelany ireo dia atolotra sy fantenan'ny birao filankevi-pitantanana mbola mijoro. Ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina GV kosa indray dia nofidian'ny vondrom-piarahamonina GV.
Mivory indray mandeha isaky ny telo volana ny birao filan-kevi-pitantanan'ny GV, izany hoe in'efatra isan-taona. Ny ankamaroan'ny fivoriana dia atao antso an-tsary.
Tamin'ny volana marsa 2020 ny vondrom-piarahamonina GV no nifidy an'i Mohamed ElGohary ho solontenan'ny nifanaraka arakasa ary nifidy an'i Arzu Geybullayeva sy i Annie Zaman ho solontenan'ny volantera.
Ankoatra ireo mpiara-manorina ny GV, dia telo taona avokoa ny fe-potoam-piasan'ny mpikambana rehetra ao amin'ny birao filankevi-pitantanan'ny GV.
Raha misy hafa tianao anontaniana momba ny fifidianana dia miangavy alefaso mailaka any amin'i Georgia.