Fifidianana Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2020: Fanolorana ireo solontena vaovao!

Ireo solontena vaovao ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana GV (Ankavia miankavanana): Annie Zaman, Arzu Geybulla, Mohamed ElGohary.

Faly izahay manambara ny valim-pifidianana tamin'ny fifidianana ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2020 ary miarahaba ireo solontenantsika vaovao ato amin'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Biraon'ny GV: Annie Zaman sy Arzu Geybulla izay ho solontenantsika amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo vaovao amin'ny filankevi-pitantanana ary i Mohamed ElGohary no ho solontenan'ny nanao fifanarahana arak'asa.

Nahazo ny mpifidy betsaka indrindra isika tamin'ity taona ity: olona miisa 360 no nifidy, raha oharina tamin'ny  tamin'ny taona 2017 izay 314 ary 180 tamin'ny taona 2013.

Isa ofisialy tao amin'ny seha-pifidianana Helios.

Solontenan'ny volantera

Annie Zaman 132
Arzu Geybulla 105
Tanya Lokot 86
Kevin Rennie 85
Tori Egherman 73
Subhashish Panigrahi 72
Ahmed Medien 64
Khojasta Sameyee 57
Adéṣínà Ghani Ayẹni (Ọmọ Yoòbá) 46

Solontenan'ny nifanaraka arakasa

Mohamed ElGohary 142
Gabriela García Calderón 109
Nwach Egbunike 56
Mong Palatino 53

Arahabaina i Annie, Arzu ary Gohary – fantatsika izy ireo fa hisolotena ny vondrom-piarahamonina araka izay tratrany amin'ny fahaiza-manaony ary manantena ny hiara-hiasa amin'izy ireo tsy ho ela izahay ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-pitantanana GV.

Ary misaotra betsaka ireo kandida rehetra tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity fifidianana ity, sy ho an'ny vondrom-piarahamonina GV tamin'ny latsa-bato betsaka indrindra tamin'ity taona ity!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.