Nahitana ny Link TV sy ny Youth Noise ny mpiara-miasa hafa ary ao koa ny Sekoly Ambony Iraisam-pirenena any San Francisco sy ny Akademian'ny Haihain'ny Fitarihana any Philadelphia ihany koa. Nantevin-daharana avokoa izahay tamin'ny alàlan'ny fandefasana rohy mankany amin'ireo tantara avy amin'ny firenena samihafa ary nanao jery todika azy ireny.
Ahoana àry no ataon'ireo olona hiadiana amin'ny krizy ara-toekarena manerantany ? Ary ahoana no fomba hitantaran'ireo mpanao gazety sy bilaogera io tantara io?
Azo natao ny nanatevin-daharana ny Fihazam-baovao momba ny Toekarena manerantany nivoaka isa-kerinandro ity sy nanampy tamin'ny fitantarana tsara indrindra (sy ny ratsy indrindra) momba ity lohahevitra ity. Manana torolàlana mahasoa momba ny fomba fanaovana jery todika ny tantara ihany koa ny News Trust .