Fitantarana manokana 2010: Resadresaka ho amin'ny tontolo tsara kokoa

Naka ireo bilaogera ato amin'ny Global Voices hanampy azy ireo hanasongadina ny resaka an-tserasera momba ny vahoaka sy ny fampandrosoana manerana izao tontolo izao ny bilaogy vaovao iray notohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe Conversations for a Better World na Resadresaka ho amin'ny Tontolo Tsara Kokoa raha adika amin'ny teny malagasy.

Bilaogera ampolony tato amin'ny Global Voices farafahakeliny no nizara tantara avy amin'ny tontolon'ny bilaoginy momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan'ny toetrandro, ny tanora sy ny fananahana, ny maha-reny, ny zon'ny vehivavy ara-pananahana ary ny maro hafa nandritra ny enim-bolana tao amin'ny Resadresaka ho amin'ny Tontolo Tsara kokoa.

Tsidiho azafady ny pejin'ny fitantarana manokana momba ny Resadresaka ho an'ny Tontolo Tsara kokoa raha hijery ny lisitry ny tantara feno .

Mikasika ny Global Voices + Resadresaka ho an'ny Tontolo Tsara Kokoa

Exit mobile version