Bilaogera Egyptiana maro no voasambotra

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nalaina an-keriny raha teny an-dalana hanatrika ny fitokonana teo anoloan'ny Antenimieram-bahoaka tao Le Caire ilay Egyptiana bilaogera MaLeK (fantatra amin'ny anarana hoe MaLcoLM X).

Araka ny nolazain'ilay bilaogera Amr Gharbeia, nangataka ny mpikatroky ny antoko Ghad i Malek mba hitatitra ny fisamborana any amin'ny Ivon-Dalàna Hisham Mubarak .

Notaterina ihany koa fa nisy bilaogera roa hafa notànana: Mohammad Gamal (fantatra amin'ny anarana hoe Gimihood) sy Mina (fantatra amin'ny anarana hoe Haj Girgis).

Exit mobile version