Fanangonan-tsonia ho fiarovana ireo bilaogera Iraniana nogadraina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2005)

Nanao fanangonan-tsonia antserasera mitaky ny fanafoanana ny fiampangana ilay bilaogera Iraniana nogadraina Omid Sheikhan ny Komity Mpiaro ny Bilaogera. Tsindrio ny rohy raha te-hahalala bebe kokoa ny raharaha momba azy sy hanome ny fanohananao raha manaiky ny fotokevitra ianao.

Ny CPB ihany koa dia manao hetsika fanangonan-tsonia ho an'ilay bilaogera Mojtaba Saminejad, izay vao nahazo sazy 2 taona an-tranomaizina. Araka ny filazan'ny Reporters Without Borders:

 

He will appear in court again on 22 June to be tried on a charge of “insulting the prophets and the holy imams.” This extremely serious accusation could result in his being found guilty of apostasy, which carries the death penalty under article 512 of the Islamic criminal code.

Hotsaraina indray izy amin'ny 22 Jiona noho ny fiampangana azy ho “manevateva ny mpampinany sy ny imam masina.”Ity fiampangana diso henjana ity dia mety hiteraka ny fanamelohana azy amin'ny fivadiham-pinoana, ary mety ho voasazy ho faty eo ambany fehezan-dalàna heloka bevava Islamika andininy faha-512

Exit mobile version