(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2009)
Nisy fifangaroana fanehoan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana taorian'ny nahalasan'i Michael Jackson.
Mahatsiaro ny fahazazàny, manoratra i ReadmyBlog mikasika ny fotoana nandrenesany voalohany indrindra fa maty i MJ:
Nifoha aho tamin'ny maraina ary niresaka mikasika ny fahafatesan'i Michael Jackson ny tontolon'ny blaogy. Ny fahatsiarovako voalohany indrindra dia ny nahita ny havako niezaka nanao ny ‘famindra eny amin'ny volana’
Manontany tena manoloana ny fanehoankevitr'ireo olona manodidina azy i TheJacob:
Maneho ny fihetsehampony i 7anna7inno :
I Shurouq ao amin'ny Jabriya Za7ma:
Nandritra ireo Andro Farany niainan'i AbdullHaleem, nampangaina ho mody narary izy mba hahazoana ny fangorahana sy halemy eo imason'ny vahoaka mandra-pahafatiny tao Londra noho ny aretina , mitovy amin'izany ny tantara nitranga tamin'i Michael Jackson izay nampangain'ny olona ho mody narary mba hialàna amin'ny raharaha maha mpanakanto, ary toa namela teny izy ankehitriny, izay manamarina fa tena narary izy ary manamarina fa tsy nataoko laharampahamehana ny fangorahana sy fihetsehampo. Ialàko tsiny ny tsy niresahako mikasika ny fifidianana ao Iran sy ireo fiantraikan'ny krizy, na ny tanànakely ao Netanyahu, na ny fanotofana fanontniana ny minisitry ny Atitany na ny zom-pirenen'ireo zanaka Libaney araka ny tokony ho izy, fa tena hoe nampikisaka ireo rano mihandron'ny blaogy i Michael Jackson.
Talanjona sy gaga i sou amin'ny habetsahan'ireo miraharaha:
Azoko antoka ankehitriny fa ho atonon'ireo mpankafy an'i Michael Jackson aho fa tsy raharahako. Aza milaza amiko fa nanome aingam-panahy ireo mpanankanto maro henoiko i Michael; raha tsy teny izy, tsy ho teny ihany koa ireo mpanakanto tianao indrindra.” Ireny no mpanakanto tiako indrindra, ary tsy misy mitovy amin'i Michael Jackson na ny iray amin'izy ireo aza: