Ho an'i Shina, hatreto aloha ny gripan-kisoa dia mbola fahafahana mampatsiahy [amin'ny teny sinoa] ny fomba ampiasaina eo an-toerana mba hifehezana ny SRAS sy ny gripa avy amin'ny vorona mandritra ny fotoanany sy hanakanana azy ireo tsy hiparitaka, ary hampitahàna ireo fepetra raisina ankehitriny ao Meksika sy na aiza na aiza hiadiana amin'ny gripan-kisoa.
Naneho hevitra betsaka [amin'ny teny sinoa] ny vondrom-piarahamonin'ny sinoa mpankafy teknolojia mikasika ny fampiasan'ny Centers for Disease Control (CDC) - Foibe fanarahamaso ny valanaretina – ny Twitter sy ny YouTube ao Etazonia mba hanaparitahana ireo vaovao farany:
能评论吗
Afaka maneho hevitra ve?
吃猪肉能传染么?
Mety ho tratran'izy io amin'ny alalan'ny fihinanana henan-kisoa ve ?
如果中国的什么疾病控制中心用QQ发布某信息…… 那估计很多人就要喷代谢产物 ~~ 你觉得呢?
Raha toa ka nanomboka nandefa ny vaovaony tao amin'ny QQ ( ilay tranonkala fandefasan-kafatra eo no eo) ny ivontoerana sinoa ho fisorohana ny areti-mifindra na tsy haiko hoe inona loatra… mihevitra aho fa olona maro no tena ho voadona mafy… Inona no hevitrareo?
看看人家国家~~再看看天朝gov 。差异啊~
Miresaka momba ny firenena hafa ianareo, dia avy eo miresaka mikasika ny governemantantsika. Fahasamihafana re izany !
Olona toa anareo koa izy ireo…Lamaody amin'izao fotoana izao eny anivon'ireo vahiny ny fampiasana ireny lazaina hoe fandaharanasa ireny mba hanaparitahana ny vaovao, fa raha toa ka manomboka mampiasa ny fandefasan-kafatra QQ sy ny mitovy aminy mba hanaovana izany eto izy ireo, azoko antoka fa IANAREO no ho tena tohina mafy ! Tsy tokony hitia loatra ny volana vahiny toy izany ianareo isaky ny mitraka mijery azy. Ho avelan'ny sasany hifotetaka eo ianareo raha manohy ny fitiavana azy ireo toy izany.
Tsy dia tena hoe tolotra natao ho an'ny rehetra ny Twitter ! Tena ratsy tanteraka, tsy azoko mihitsy ny fanirian'ny olona maro hampiasa azy io?? Hetsiky farany isehoan'ny fotokevitra vahiny ve izany?
差距是有的,但是和十几年前的中国比起来,现在进步了很多,应该鼓励不能嘲讽
Misy fahasamihafana, fa raha oharina amin'i Shina tamin'ny taona amam-polony maromaro lasa izay, fivoarana maro no hita. Tokony hankahery izany ianareo, fa tsy haneso.
Nanamarika ny lahatsoratra taloha tao amin'ny cnBeta post [amin'ny teny sinoa] fa nahatratra in-10 000/ora ny hatetiky ny fipoiran'ny fampiasana ilay tenifototra #swineflu (gripan-kisoa). Mamaritra tsara ny mpaneho hevitra iray fa efa manana mpanaraka miisa 25 000 sahady ilay kaonty twitter @CDCEmergency ao Etazonia, izay miteraka ity fanehoankevitra ity :
Ao Shina, nandritra ilay areti-mifindrana gripa avy amin'ny vorona sy ny SRAS, nahita fikorianana vaovao malalaka ve isika ? Noho izany, ankehitriny, tratran'ny areti-mifindra ny firenena hafa, ary mivovo i Shina. Tena toy ny voalazan'izy ireo ao amin'ny Famintinana ny vaovao ho anatin'ny andalana telo ao amin'ny Joint News Broadcast mihitsy izany : tao anatin'ireo folo minitra voalohany, tena sahirana be ireo mpitondra ; tao natin'ny folo minitra teny an-tenantenany, faly be ny Sinoa; tao anatin'ireo folo minitra farany, ”miaina anatin'ny rano mafana” ny olona rehetra mipetraka ivelan'i Shina.