(Marihina fa tamin'ny 3 Septambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ny alin'ny Zoma 31 Aogositra hifoha Asabotsy 1 Septambra 2007, niala avy tany Atlantika nankany amin'ny faritra atsimon'i Karaiba ny “Rivodoza Tropikaly Six”, ary nitondra oram-batravatra tany amin'ireo nosin'i Grenada, Tobago, ary Trinité. Ny vokany: tondra-drano, fihotsahan'ny tany, hazo nianjera, ary fahasimbana sasany tamin'ireo tranobe. (Ny Zoma, nandefa fanavaozam-baovao tsy tapaka momba ny fivoaran'ny rivodoza i Francomenz : 1, 2, 3. ).
Tany Port d'Espagne (renivohitr'i Trinité sy Tobago) vao maraina ny Asabotsy ary naka sary maromaro tao afovoan-tanàndehibe izay tao anaty rano ilay bilaogera Attillah Springer avy ao amin'ny Four Fingers and a Thumb – ary namoaka sary tao amin'ny Flickr mitondra ny anarana hoe tillahwillah .
Ny Asabotsy maraina, voasokajy ho rivodoza tropikaly indray ny toetrandro, ary nomena ny satan'ny rivodoza tamin'ny 2 Septambra. Rivodoza Felix, ilay rivodoza faharoa tamin'ny taona 2007, izay nandalo ny faritra avaratry ny nosy Aruba, Bonaire sy Curaçao, ary nitodi-doha nankany Belize sy Honduras .