Miarahaba anareo Global Voices. Nanapa-kevitra ny hiato amin'ny fitantanana ny Fandikan-teny Rosiana i Ekaterina Golubina. Maniry ny hifantoka amin'ny fanomanana ny diplaomany “master” sy ny asany i Katya sady mijanona ho mpandray anjara ihany .
Tamin'ny volana Septambra 2009 i Katya no nanatevin-daharana ny GV, ary mpikambana navitrika tato amin'ny vondrom-piarahamonintsika izy hatrizay! I Anna Shetnikova ankehitriny no mitantana ny Lingua Rosiana.
Misaotra an'i Katya be dia be noho ny ezaka nataony sy ny fotoana nomeny nandritra ny taona maro!