Hetsika Aorian'ny Vovonana: Andeha atao malaza ny GV!

global voices rock stars

Sary natambatra tao amin'ny Pixabay sehatra ho an'ny daholobe/CC0 Creative Commons.

Nandritra ny vovonana GV tany Colombo izahay nandre ireo mpanatrika maro niresaka ny hoavy mahafinaritra sy fitomboan'isan'ireo mpamaky anaovan-dry zareo vina ho an'ny GV. Fanampin'izany, nisolotena ireo ekipany mpanoratra sy mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika ihany koa ny sasany tamin'izy ireo, sy ireo tonian'ny Efitra Famoaham-baovao ary ireo tonian'ny Lingua.

Na izany aza, nanamarika ihany koa ireo mpikambana GV maro (na tao amin'ny Vovonana na tany amin'ny fivoriana hafa) fa tsy mahalala na inona na inona momba ny GV ary tsy mieritreritra ny hamaky azy ny manodidina, ny fianakaviany na ny namany. Mahamenatra izany, satria tokony ho loharanom-baovao matotra sy azo antoka no hamantarana antsika any ivelan'ny vondrom-piarahamonina GV ! Ny atrikasa “Ndao atao malaza ny GV !” izay natao tany Colombo tamin'ny 30 Novambra, 2017, dia fivoriana fikaonandoha voalohany momba ny zavatra azontsika, mpikambana GV atao momba izany.

Nahitana fifanakalozan-kevitra miisa 3 tao anatin'ity atrikasa feno fandaharam-potoana sy lava ity :

Inona no tanjon'ity atrikasa ity?

Inona no paikady sy teti-panorona noresahintsika?

Noho izany … Inona no ataontsika manaraka?

Nanolo-tena ny hitarika ireto lohahevitra manaraka ireto ny mpandray anjara eto ambany :

  1.      Mamaritra ny refy (fotoana, sns…) – Kevin, Nevin
  2.      Manangana teny faneva – Emma, Elisa, Gohary
  3.      Teti-panorona fampielezana – Faisal
  4.      Fanomeza-marika maro – Saffah

Raha mahaliana anao ny iray amin'ireo lohahevitra ireo dia mifandraisa amiko amin'ny alalan'ny mailaka ao amin'ny kaontiko na amin'ny iray amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo miandraikitra izany!

Exit mobile version