25 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 25 Avrily 2018

FOKO: Manao zavatra betsaka ho an'ny fiarahamonina

Rising Voices  25 Avrily 2018

Na dia maro tamin'ireo mpikambana ao amin'ny FOKO aza no nanomboka nianatra tany amin'ny Oniversite, feno hetsika ny volana Aprily ho an'ny Klioba Bilaogy FOKO. Joan Razafimaharo mamintina ny sasany amin'ireo hetsiky ny vondrom-piarahamonina izay andraisan'ireo bilaogeran'ny FOKO anjara.

Mandehandeha manan-tanjona

Rising Voices  25 Avrily 2018

Raha nanontanian'ny mpihaino tao amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices tao Budapest, Hongaria hoe "ahoana no ahafahanay manampy?", nilaza i Mialy Andriamananjara ao amin'ny tetikasa FOKO Madagascar fa fahaizana fa tsy vola no tena ilain'ny tetikasa.

Ireo Blaogera Ao Amin'ny India Virtoaly

  25 Avrily 2018

Toerana iray samihafa ny India virtoaly, raha oharina amin'ny India tena izy. Mandingana ireo sakana jeografika sy fizika ireo blaogera ary mivondrona, ka ny fanakanana ny blaogy tamin'ity herinandro ity dia nanasongadina an'ity India virtoaly ity, ary dia hafa tokoa anie izany eeee...

Miroso Mankany Amin'ny Firesahana Fandriampahalemana i Nepal

  25 Avrily 2018

(2006)...Taorian'ny fandresen'ny Revolisiona Aprily, sy ny Fanambaràna goavana iray nataon'ny Parlemanta izay nampihena be tokoa ireo fahefan'ny mpanjaka, sy nanoloana ny anaran'ny tafika avy amin'ny Tafiky ny Mpanjaka Ao Nepal ho Tafik'i Nepal, ary koa ny kabary andiany voalohany niarahana tamin'ireo maoïstes, dia marobe ireo olana no tsy mbola voavahan'ny governemantan'ny fiarahamientan'ireo antoko fito . Tsapa ho mihisatra loatra ny fizotrany.