Maorisy: Lahatsary Namboarina Hanomezam-boninahitra Ny Fetin'ny Fahaleovantena

(Marihina fa tamin'ny 12 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tena paradisa ny firenena nosy Maorisy ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, saingy nandalo fotoan-tsarotra izy noho ny fielezan'ny aretina mahafaty avy amin'ny moka, chikungunya. Koa satria nampihorohoro ny mpitsidika marobe ilay aretina dia nanambatra ity lahatsary nambomboarina ity i Andy Carvin izay mankalaza ny faha-38 taona nahazoan'ny firenena fahaleovantena.  Ahitana sary nalaina manerana ny nosy , anisan'izany ireo torapasika, ny zaridainam-pirenena, ny toerana fivahinianana Hindou ary ny dihy nasionaly fantatra amin'ny hoe sega ilay lahatsary nambomboarina maharitra dimy minitra.

Exit mobile version