Nahatezitra ireo Afrikana Tatsimo maro ilay nitonontena ho mpaminany, Lethebo Rabalago, rehefa nivoaka ny vaovao fa mampiasa Doom, famonoana bibikely malaza ao amin'ny firenena, izy hanasitranana olona. Tifiriny amin'ilay etona simika mahafaty ny faritry ny vatan'ireo mpikambana ao amin'ny fiangonany ao anatin'izany ny tarehy.
Nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook i Rabalago nanambara ny “fanasitranana” avy amin'ny herin'ny Doom:
By my name, you shall drive out demons.
By my name, you shall pick up snakes. Anything you touch, recieves favour because of the annointing upon you. Doom is just a name, but when you speak to it to become a healing product, it does. People get healed and delivered through doom. Its not by might nor by power, but by the HolySpirit. We give God the glory!!
Handroaka ny demony, amin'ny anarako, ianareo.
Handray menarana, amin'ny anarako, ianareo. Izay rehetra kasihanareo, hahazo sitraka noho ny osotra nanamasinana anareo. Anarana fotsiny ny Doom, fa rehefa miresaka aminy ianao dia miova ho fitaovana fanasitranana izy, manasitrana. Sitrana sy afaka ny olona amin'ny alàlan'ny Doom. Tsy amin'ny alàlan'ny hery na fahefana fa amin'ny alàlan'ny FanahyMasina. Omentsika an'Andriamanitra ny voninahitra !!
Nanameloka an'i Rabalago ny orinasa manao ity famonoana bibikely ity ary nilaza fa eo andalam-pitadiavana fifandraisana aminy ny orinasa mba hampitandrina azy momba ny loza ateraky ny fampiasana Doom poizina bibikely eny amin'ny tavan'ny olona.
Naneho hevitra tamim-pahatezerana ny Aterineto, tohina sy nampiasa sarisary mampihomehy tao anatin'ny tenirohy #ProphetOfDoom na #MpaminanyDoom .
Nivazivazy hoe ny mpisera Twitter iray nampiasa ny anarana ‘Sound Surgeon’ :
#ProphetOfDoom
Breaking news: Doom prices have shot up??? pic.twitter.com/mpd3U9HDBG— ?Sound Surgeon? (@speaks_beats) November 22, 2016
#MpaminanyDoom
Vaovao farany: Niakatra ny vidin'ny Doom ??? pic.twitter.com/mpd3U9HDBG
Nizara ity sary mampiseho talantalana Doom foana tao amin'ny fivarotan-dehibe ity i Iloveza :
Business is good? #Doom #DoomProphet #ProphetofDoom #iloveza❤️?? pic.twitter.com/wzEebVzsvS
— iloveza (@ilovezacom) November 23, 2016
Tsara ny fihariana ? #Doom #DoomMpaminany#MpaminaninNyDoom #iloveza❤️??
Nilaza zavatra hafahafa momba ny asa ataon'ireo mitonontena ho mpaminany mihamaro ao Afrika Atsimo i Mphuma :
Just when you said you read it enough, petrol, grass, snakes Pastors etc.. now it's happening again. #ProphetOfDoom world coming to an end.
— Mphuma Tshililo (@mphuma27) November 21, 2016
Rehefa miteny ianao hoe ampy izay, solika, bozaka, bibilava mpitandrina etc .. mitranga indray izany izao . #MpaminaninNyDoom efa akaiky ny farany.
Asam-“F(P)aminaniana” hafahafa ataon'ireo mpitondra fivavahana ao Afrika Atsimo tao anatin'ny taona vitsivitsy, anisan'izany ny fihinana bozaka, bibilava sy ny fisotroana solika, izay nolazaina fa lasa ranom-boakazo mananasy aorian'ny vavaka.
Mila mieritreritra kely i Afrika Atsimo raha raisina ny “fahagagana” farany , hoy Ditjhaba :
After this, I think we need a timeout as a country. This is too much and the #prophetofdoom is the last straw. pic.twitter.com/cG4edPGQeH
— Ditjhaba Selemela (@DitjhabaS) November 21, 2016
Aorian'izany, mihevitra aho fa ilaintsika ny mieritreritra kely amin'ny maha-firenena. Be loatra izany ary ny #mpaminaninydoom no nahafeno ny kapoaka . pic.twitter.com/cG4edPGQeH
Nisioka ny sarin'ny lehilahy iray miezaka ny hampitombo ny volany tao amin'ny milina ATM iray taorian'ny toro-hevitry ny mpitondra fivavahana i @shandu009:
#prophetOfDoom pic.twitter.com/BURImBD1MX
— #AlooterContinua✊ (@shandu009) November 24, 2016
Nilaza ny mpisera Twitter iray hafa hoe:
Doom is the answer brothers and sisters lets bow our heads and sPray. #ProphetOfDoom
— Eng TKN (@telferkndumba) November 24, 2016
Doom no vahaolana ry rahalahy sy anabavy , aoka hanondrika ny lohantsika isika ary hahazo ny rano mitsifitra avoakany. #MpaminaninnyDoom
Nivazivazy i Vhoni hoe:
Who needs gym when there's doom(Raid)? ?????????????#Prophetofdoom #TrendingSA pic.twitter.com/HTMl69TWRO
— SC&IG @vhoni_henny (@vhoni_henny) November 23, 2016
Iza no mbola mila fanaovana fanatanjahan-tena rehefa misy ny doom (Raid)? ?????????????#MpaminaninnyDoom #FironanaSA pic.twitter.com/HTMl69TWRO
Namoaka ity sary manaraka ity ny lehilahy Zimbaboeana iray milaza fa mila ny “Doom manasitrana” manokana ny filoha Zimbaboeana:
I'll jus leave this here… #prophetofdoom pic.twitter.com/aQqtgDumgt
— Peter Tavaruva (@tavaruva_peter) November 24, 2016
Apetrako eto fotsiny ity … #MpaminaninnyDoom pic.twitter.com/aQqtgDumgt
Nandefa sarin'ny fiara minibus misy dokambarotra Doom i Qamatha izay milaza fa an'ny fiangonana io ;
#ProphetOfDoom just bought a new minibus for congregation. pic.twitter.com/a50YmIwxks
— QAMATHA (@SaAutonomy) November 23, 2016
#MpaminaninnyDoom Nividy minibus vaovao ho an'ny fiangonana.pic.twitter.com/a50YmIwxks
Mampiseho ny mpaminany eo ampanatontosana ny asany ny lahatsary eto ambany :
Nanoro hevitra ilay mpandraharaha ao amin'ny Aterineto Afrikana Tatsimo Peter Mansfield hoe:
LOCK HIM UP, and send congregants for psychiatric examination to determine why they stupid enough to follow him #ProphetOfDoom https://t.co/MutzfJtWSJ
— Peter Mansfield (@Peterman43) November 21, 2016
GADRAO IZY, ary alefaso ho zahana any amin'ny mpitsabo areti-tsaina ireo mpivavaka mba hamantarana ny antony mampahadala azy ireo hanaraka azy #MpaminaninnyDoom https://t.co/MutzfJtWSJ
Namerina ny andininy tao amin'ny Baiboly ao amin'ny bokin'i Jaona 3:16 ny mpisera Twitter iray hafa. Mivaky toy izao ilay andininy: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an'izao tontolo izao ,nomeny ny zanany lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay”:
does one see this doom coming or is it a surprise… #doom, #Doompastor, #ProphetofDoom pic.twitter.com/YE6ujSR1Wu
— nev.b (@_nevb) 21 de noviembre de 2016
Moa mahita ny doom ho avy ny olona sa tsy ho ampoizina izany… #doom, #pasiteraDoom, #MpaminaninnyDoom pic.twitter.com/YE6ujSR1Wu
Nieritreritra i Celeste fa mitovy amin'ny fikasana famonoan'olona ny fitifirana ranom-panafody simika mampidi-doza amin'ireo mpivavaka;
The #ProphetofDoom should be arrested for attempted murder. #Doom is used to kill so surely the #Hawks or #NPA can whip up a charge.
— Celeste Tema (@celeste_tema) November 21, 2016
Tokony hosamborina ny #MpaminaninnyDoom noho ny fikasany hamono olona . Ampiasaina hamonoana ny #Doom noho izany afaka manome sazy azy ny #Hawks sy ny #NPA.
Nanoratra i Barry Roux rehefa nampiasa ny sary malazan'i Jake Amo amin'i Aterineto Ghaneana [mg] hoe:
Dear #ProphetOfDoom
Sorry for the bad handwriting, am writing to ask if Doom can cure TB Joshua. #DoomProphet
Sincerely Your Boy pic.twitter.com/XYZwFNCfh8
— IG:AdvBarryRoux (@Barry_Roux) November 22, 2016
Miala tsiny noho ny sora-tanana ratsy ,manoratra aho mba hanontany raha afaka manasitrana an'i TB Joshua ny Doom. #DoomMpaminany
Ilay Zanakao pic.twitter.com/XYZwFNCfh8
Mpitoriteny Nizeriana malaza i TB Joshua izay fantatra noho ny faminaniana nampiadi-hevitra . Nilaza mialoha izy nandritra ny fifidianana Amerikana fa handresy amin'ny fifidianana i Hillary Clinton.
Nandefa ity sary ity ny Kalabash Media:
Running out of fuel?? …#DoomELA #ProphetOfDoom #DoomProphet pic.twitter.com/RpsMiyCW2i
— Kalabash Media (@KalabashMedia) November 22, 2016
Lany solika ?? … # DoomELA #MpaminaninnyDoom #DoomMpaminany pic.twitter.com/RpsMiyCW2i
Nilaza i Rabalago fa miaraka amin'ny herin'ny fanahiny dia mety ho azo atao ny manao antso an-tariby tsy misy karatra SIM na mitondra fiara tsy misy solika.
Farany, mila tavoahangy Doom manasitrana iray ve ianao?:
Miracle spray for sale, Contact #ProphetOfDoom prophet Lethebo Rabalago of Kingdom of Doom Church for more details.. pic.twitter.com/mNNJShQAR2
— IG:AdvBarryRoux (@Barry_Roux) November 24, 2016
Tsifitra mahagaga amidy, Antsoy ny #mpaminaninnyDoom Lethebo Rabalago ao amin'ny Fanjakan'ny Fiangonan'ny Vintan[-dratsy] raha mila fanazavana bebe kokoa .. pic.twitter.com/mNNJShQAR2