Ha'e Kuera Ñande Kuera:  Reggae Sy Ny Hip-Hop Mampiely ny Kolontsaina Guarani Amin'ny Alàlan'ny Fifampiresahana Amin'izao Tontolo Izao 

Ny tarika Ha'e Kuera Ñande Kuera. Sary nozarain'ny mpihira tao amin'ny pejiny Facebook ho an'ny daholobe.

Hita any amin'ny faritr'i Los Saltos sy Cascadas any amin'ny Faritany avaratra atsinanan'i Arzantina antsoina hoe Misiones i Fortín Mbororé. Niforona tamin'ny 1985 ilay tanàna ary manana mponina eo amin'ny 1.126 eo ho eo izay fantatra amin'ny anarana hoe Mbya Guarani .Ao anatin'izany vondrom-piarahamonina izany, izay mizara sisintaniny amin'i Brezila sy Paraguay, no ahitana ilay tarika tanora niaraka nampitovy tadindokanga sy tanjona tamin'ny hip-hop sy ny reggae hiraina amin'ny teny Guarani sy amin'ny teny espainiola sy portiogey. Ahitana mpihira telo antsoina hoe Ha'e Kuera Ñande Kuera ity tarika ity, izay midika amin'ny teny espaniola hoe”ustedes y nosotros,” na “ianao sy izahay.” Ireto avy ireo mpikambana ao aminy Juan Chamorro, Fabián Velázquez ary Hilario Benítez, miaraka amin'ny tarika mpitendry miray tanjona aminy.

Nanomboka tamin'ny 2013 izy telo mirahalahy, tonga tao amin'izy ireo ny teny telo samihafa sy ny kolontsaina roa. Manafangaro ny zavamaneno nentim-paharazana amin'ny saxophone, ny basse, ny amponga, sy ny gitara ihany koa ny tarika. Mahatsapa ho voasariky ny hip-hop sy ny reggae ireo tanora noho ny votoatiny feno fitakiana sy fanantenana ho an'ny rariny ara-tsosialy. Izany no fomba nampitamberin'ny Misiones Online azy ireo tao amin'ny naoty momba ny fandraisana anjaran'ny Ha'e Kuera Ñande Kuera tamin'ny Fivoriambe faha-13 ny Tambajotra Nasionalin'ny Fampitam-baovao Mahasolo hafa :

El grupo cobra popularidad debido a que sus canciones transmiten la tristeza que sienten al ver que su cultura se pierde, que cada vez se quedan con menos tierras, y que siempre les cuesta conseguir sustento en la naturaleza.

Nahazo laza ny tarika noho ireo hirany mampita ny alahelo tsapany rehefa mahita ny kolontsainy mihavery, miafara amin'ny fihakelezan'ny hatrany, ary ny  fitolomana mandrakariva amin'ny famokarana sakafo avy amin'ny zavaboary hatrany.

Ny momba ny Ha'e Kuera Ñande Kuera

Sary navoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Ha'e Kuera Ñande Kuera's .

Tao anatin'ny taompolo lasa, nitatitra ny olana izay mahazo ny vondrom-piarahamonina Mbya ao Misiones ireo haino aman-jery. Nanaitra ny lohateny nivoaka. Aretina tena hita mahazo ny ankizy sy ny tanora Guarani matetika ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny olan'ny fitaovam-pisefoana .Miatrika olan'ny tsy fahampiana ara-tsakafo , ny fahafatesan'ny zaza, ny fanilikilihana sy ny fahantrana ny fiaraha-monina ary fanampin'izany ny fahatahorana ny vondrom-poko ho lany tamingana ampahanginana

Manampy izany ny fitsofohana sy ny fitsabahana amin'ny fananan-tany amin'ny fomba mampatahotra ireo vondrom-piarahamonina ka mahatonga azy ireo voatery hifindra any an-drenivohitra.

Maneho ny zava-misy marina niainan'ireo mpikambana ao aminy ny tononkiran'ny Ha'e Kuera Ñande Kuera. Ao anatin'izany, ny reggae sy ny hip-hop, ny karazana mozika maneran-tany izay manokatra fantsom-pifandraisana mamela azy ireo handeha lavitra kokoa noho ny fetra ara-kolontsaina Guarani ary hanatratra ny mponina kiriolona amin'ny alàlan'ny hafatra fitakiana sy ny fanentanana. Mandritra izany fotoana izany, mamoha ny zava-mahaliana ireo tanora Mbyan izay nahita ny fomba hanambarana ny aretina misy ao an-toerana ny fampiasana ny teny Guarani ao anatin'ny hiran'izy ireo  .

Ny tambajotra sosialy, ny maha-tompontany, ary ny kolontsaina maneran-tany

Namela isian'ny fifandraisana eo amin'ireo mpitendry mozika, ireo mpanara-dia, ary ireo izay liana amin'ny tarika ny pejy Facebook ofisialin'ny Ha'e Kuera Ñande Kuera. Nisy ny adihevitra naterak'izany momba ny fandraisan'ireo vondrona tompontany hafa ny vokatra ara-kolontsaina maneran-tany. Tsy lany ny hevitra manohana ny finoana fa tokony hofehezina ao amin'ny fanjakana madio sy mitoka-monina ny teratany mba ho fantatry ny sisa amin'ny fiaraha-monina ho amin'izany endrika izany hatrany. Na izany aza, manana hevitra mazava tsara mikasika ny maha izy azy sy ny fomba izay nahitany fahasamihafana sy fifandraisana amin'ny kolontsaina hafa hampiroboroboana azy ireo ny tanora izay nanorina ny Ha'e Kuera Ñande Kuera.

Etsy andaniny,  fitaratra amin'ny tarika manana fihaviana maro ny Ha'e Kuera Ñande Kuera: ho an'ny vondrom-piarahamonina Guarani, ao anatin'ny kolontsaina kiriolona ny mozika sy ny endriky ny tarika. Mety ho zavatra natokana ho an'ny tompontany fotsiny ihany ny hevitr'i Ha'e Kuera Ñande Kuera ho an'ny mpijery avy any ivelany rehefa mijery ny manodidina an'ny Mbyan izy ireo .

Raha fintinina, maneho ny vokatra ara-kolontsain'ny dingana isan-karazany izay mifanohitra sy mifandray ao anatin'ny karazana mozika manintona azy ireo hatramin'izao ny tarika. Araka izany, miseho amin'ny endrika sehatra ifampiraharahana ny mozika tenany izay vaindohan-draharahany ny mivoaka ao anatin'ny aizina ary mamorona vondrom-piarahamonina manerantany misy fitaoman-kolontsaina izay lavitry ny hampaha-osa azy ireo fa hampahahery azy ireo .

Hae Kuera Ñande Kuera – Nda ja rekovei opy arandu avy amin'ny lrtvcooperativa tao amin'ny Vimeo.

Exit mobile version