Saka, hira an-dalambe ary ny maha Amazoniana: Any amin'i Però mahatalanjona ny Instagram Global Voices

I heard it from blocks away. An Amazonian melody is not something that escapes my ears in the heart of the city, despite the noise there. When I finally could see him I realized he was alone, nobody at his side, nobody watching. I went along my way. But when I reached the corner I stopped and went back. In all that time no one had stopped to listen to the music or had given him money. When I reached him I put a coin in his purse sitting on the ground for that very purpose and prepared to take this photo. He looked at me for a split second and continued playing. I couldn't ask his name or have a brief chat with him. The lively melodies of the jungle emerged unstoppable from his flute while he looked on in a trance, and for me it was as if the sun had risen in that hazy and cold day of my Lima, ever indifferent. A post about street music in Lima:  https://globalvoices.org/2014/09/19/lima-peru-street-music/

“Reko any lavidavitra any. Tsy afa-mandositra ny sofiko ao afovoan'ny tanàna ny feonkira Amazoniana, na dia eo aza ny tabataba misy ao. Rehefa hitako ihany izy dia hay manirery ranamana, tsy misy olona eo anilany, tsy misy olona mijery. [..] Nitsipalotra izy nijery ahy dia avy eo nanohy ny hirany. Tsy afa-nanontany ny anarany aho na afaka niresaka vetivety taminy. Tsy mety mitsahatra mivoaka amin'ny sodiny ny feonkirany avy any an'ala matevina rehefa jerena toy ny ao anaty fahavarianam-panahy izy, ary ho ahy dia tahaka ny masoandro niposaka ao anatin'izao andro manjavona sy mangatsiaka eto Lima izany, tsy miraika mihitsy.” Juan mitantara ao amin'ny Instagram. Indro ny tantara nosoratany ao amin'ny hira an-dalambe ao Lima.

Tamin'ity herinandro ity ilay mpiangaly fitantarana antsoina hoe Juan Arellano no nitondra ho antsika sary mahatalanjona sy tantara mivaingana avy any Però ao amin'ny kaonty Instagram Global Voices.

Juan monina ao Lima no tonian'ny Lingua amin'ny teny espaniola ato aminay ary mpitari-dalana antsika indray ao amin'ny #InstaGV, fisantaran'andraikitra vaovao izay maneho ny hakanto, ny hamaroana sy ny fivelaran'ny fikambananay ao amin'ny Instagram amin'izao fotoana izao.

Isan-kerinandro ianareo no handrosoana mpikambana iray avy ato amin'ny fikambananay amin'ny alalan'ny kaonty Instagram @globalvoicesonline. Amin'ny herinandro indray dia i Pernille avy amin'ny ekipan'i Afrika atsimon'i Sahara no handray antsika ho any an-dalan'i Oganda avaratra.

Ao anatin'ny roa volana ianareo, amin'ny alalan'ny zoro tokan'ny fikambanana Global Voices, no hahita olona, toerana ary hamaky tantara avy any Bangladesh, Maraoka, Libanona, Però, Alemaina, Espaina, ary Soisa.  Ao anatin'ny taona izahay manantena fa handrakotra firenena am-polony avy amin'ireo mpanray anjara an-jatony avy amin'ny firenena 160.

Indreto ny sary sy tantara fito mampamolivoly zarain'i Juan avy ao Però ao amin'ny @globalvoicesonline tamin'ity herinandro ity. Anisan'ny mpandray anjara ela nihetezana indrindra i Juan ato amin'ny Global Voices. Efa nanoratra tantara mihoatra ny 500 sy nandika tantara mihoatra ny 5000 izy hoan'ny Global Voices hatramin'ny 2005. Efa nibilaogy izy hatramin'ny 2001 ary izy no mpanorina ny Blogsperu.com, notantanin'ny blaogera Peroviana voalohany.

Amazoniana ny ilany iray amiko, tsy noho ny fahaterahana, tsy noho ny fanapahan-kevitra fa ny fiainana no nametraka ahy ao ary nandrendrika ny foko ny tany sy ny misiteriny. Ahoana moa izany Amazoniana izany? Mahatsiaro ho mangatsiaka rehefa 20 degre ny hafanana nefa mahatsiaro ho mafana ny hafa, fahatsapana fa akaiky ny namana iray rehefa mandre olona miresaka amin'ny filanto mampiavaka ny faritra ianao, te-hanala azy hatrany sy handihy ary hisotro labiera…

Zavatra hafa itiavako ny tantaran'ny afovoan'i Lima dia ny ahafahana mahira diabe mirindra, filaharana sy hetsika ara-sosialy hafa ianao isaky ny mifarana ny herinandro. Ny sary entiko dia mampiseho mpandihy Huaconada, dihim-pombafomba avy ao amin'ny vohitr'i Mito ao amin'ny faritra Junin, ambara ho lovan-kolontsaina tsy hita maso. Dihy ifangaroan'ny singa Andeana, Espaniola ary maoderina ihany koa; dihy nanavatsava 1500 taona…

Tia vakiboky saingy tsindraindray no mba mandeha any amin'ny mpivaroboky sy mividy boky be mpividy. Aleoko mandeha any amin'ireo boky efa novidian'ny hafa no namidiny indray, hitanao mameno ny afovoan-tanànan'i Lima. Any ianao mahita [firavaka] ny tena sarobidy.

Iquitos malaza eo amin'ny Peroviana amin'ny hafanany sy ny tontolony toa tsy afaka fety, saingy manafina ihany koa ny fotoana lasan'ny firoboroboan'ireo andrianan'ny fingotra sy ny fahantran'ireo monina amin'ny faritra manodidina ny tanàna, matetika amin'ny morondranon'ny renirano tena manodidina an'i Iquitos, izay safodrano hatrany isaky ny fotoanany…

Sary maneho ny itiavako ny tanànako, Lima. Eto ianao mahita tantara 2000 taona ao anatin'ny pikantsary iray. Huaca Pucllana dia sisan'ny talohan'ny nahatongavan'ny espaniola, avy amin'ny kolontsaina amorontsirak'i Però fahagola.

Efa nandalo tamin'ny aterineto ny fizarana sarintsaka. Ny zaridainam-pizahantany Kennedy ato amin'ny distrikan'i Lima ao Miraflores no tahaka nampisy ventiny izany fandalovana tao amin'ny aterineto izany amin'ny fahamaroan'ny saka…

Efa noteneniko teo ihany fa maro amin'ireo mponina monina ao Iquitos no mipetraka amin'ny faritra dibodrano. Ity asehoko aminareo ity ny iray amin'izany. Sary efa nalaina roa taona lasa izay…

Exit mobile version