Sary ao amin'ny Instagram mahatalanjona amin'ny fihintsanan-dravina ao Japana

Autumn in Japan. Photo by Nevin Thompson.

Mihintsan-dravina ao Japana. Saripika avy amin'i Nevin Thompson.

Tahaka ireo firenena sy faritra maro eto amin'izao tontolo izao dia manana vanim-potoana mampiavaka azy ao anatin'ny taona ihany koa i Japana.

Raha mahery vaika ny asara [mafana] ary mety tsy mampahazo aina ny asotry [mangatsiaka] noho ny tsy fahampian'ny foibe famanana any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena, dia miato kely izany toetrandro mihoampampana mandritra ny taona izany ho an'ny mponina rehefa tonga ny lohataona sy ny mihintsan-dravina.

Mitondra karazan-doko maro ny volan'ny mihitsan-dravina Oktobra sy Novambra rehefa miendaka eny amin'ny ravin-kazo ny loko maitso. Maro ny olona no mamoaka izay sarin-dravina nopihany amin'ny TS [Tambajotra Sosialy].

Indreto ny tsonga-tsary avy any Nikko, toerana iray malaza ho an'ny mpizahatany ao amin'ny tangorombohitra avaratra atsinanan'i Tokyo. Malaza amin'ny loko mahafinaritra amin'ny fotoanan'ny mihintsan-dravina i Nikko, indrindra ireo hazo erabla Japoney menamena (Acer palmatum).

Erabla mena manjelatra

Ny toera-panintonana voalohany ao Nikko dia ireo fitambarana tempoly sy toerana masina voahaingo marevaka namboarina ho môzôle [fasan'ny maherifo] ho an'ireo shogun Tokugawa [jeneraly mpitondra] izay nampiray an'i Japana taorian'ny ady an-trano naharitra fotoana ela dia ela.

Raha malaza amin'ny zavabitany ara-miaramila ny foko Tokugawa, dia tsy maharaka izany haavo izany loatra kosa ny haikantony, mahatonga ny mpitsidika an'i Nikko ho heniky ny loko manaitran'ny tempoly mihosotra volamena sy jaky [mena matroka].

Ny hakanton'ny lokon-dravina mihintsana. #tochigi #nikko #sano #2015 #renireny #Nikko Valan-javaboary Nasionaly #riandrano

Mandritra ny mihintsan-dravina anefa ny vohitra manodidina dia mihoatra noho ny fifaninanan'ny tempoly Tokugawa.

Tonga ny hazavana, ity angamba no fotoana mahafinaritra indrindra tamin'ny fotoana fohy niserananay teto amin'ny faritry ny prefektioran'i Tochigi, Japana, rehefa nanopy maso tany amin'ny riandranon'i Kirifuri (izay midika ara-bakinteny hoe zavona midina) izahay, fa saingy nanambintana ihany izay mahita mazava tsara ireo riandrano indroa miantoana, ary mamirapiratry ny ravina amin'ny fotoanan'ny mihintsan-dravina ry zareo. Nampianatra ahy ny mpifehy ny @instagram fa mety hahazoana valisoa ny faharetana miandry ny hazavana mety indrindra, ary mihevitra aho fa ity no fandravahana izany teboka izany. Somary nandrahona ihany ny andro, fa tao anatin'ny roa minitra, no tafavoaka ny rahona ny masoandro an-damosinay ka nandefa taratra malefaka nanavatsava ireo ravina sy ny faritra ambany amin'ny riandrano, sy nanazava azy ireo. Tsy nahateny tsy nahavolana izahay. Tena fotoana mahafinaritra indrindra io fotoana io ka tsy misy na inona na inona tamin'izay hitanay nandritra ny dia no afa-nifaninana tamin'ny hakantony hitanay niserana vetivety monja. Teo amin'ny fotoanany indrindra ny hazavana! mahazoa herinandro mahafinaritra ry namana akaiky sy lavitra!

Mihoatra noho ny tanànan-tempoly i Nikko. Toerana malaza fitsidika ivelan'ny trano koa izy. Ny hafanana antonony mandritra ireo volan'ny mihintsan-dravina ao Japana no mahatonga an'i Nikko ho toerana malaza fialan-tsasatra.

Mangatsiatsiaka tsara ny toetrandro, saingy tsy maintsy mitondra arotenda.

Mahavalalanina ny dia mankany Nikko avy amin'ny faritr'i Tokyo. Eto isika mahita ny fitandahatry ny hazo cryptomeria avo dia avo manamorona ny arabe.

Fanamoriana fiara amin'ny Lalamben'i Nikko

Ny dianay nankany Tochigi mianoka ny toetrandro mahafinaritry ny mihintsan-dravina! Nifoha maraina izahay ary nihinana [fiarahan'ny sakafo maraina sy atoandro]. Matsiro ny paty soba Tochigi!

Nikko, Toshogu: Tsidika Mihintsan-dravina

Manana anjara toerana lehibe ny amin'ny nahandro japoney ny sakafo manaraka vanimpotoana. Eto izao hitantsika ao amin'ny tranombarotra iray ao Nikko ny fikarakarana sakafo maivana roa ankafiziny indrindra mandritra ny mihintsan-dravina, dango bolabolam-bary natono, miaraka amin'ny trondro trondro marakelin'ny renirano ayu notonoina amin'ny arina.

Dango sy masikitan-trondro

Raha azo ianohana mandritra ny taona ny ranomafana ivelan'ny trano ao Japana, dia misy ny rivotra mangatsiatsiaka amin'ny mihitsan-dravina mahatonga ny fitsorahana anaty rano ivelan'ny trano ho mahafinaritra kokoa.

#ranomafana #oku nikko #Nikko Kogen Hotel… Mahafinaritra eto!!

Ary tahaka ny lohataona dia vetivety dia tapitra ihany koa ny mihintsan-dravina. Ny andro mamiratra, talaky masoandro mandritra ny volana oktobra sy ny fiandohan'ny Novambra dia voasolon'ny oran'ny ririnina manasa ny loko marevaky ny mihintsan-dravina ho lasa any.

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka avy amin'ny fitaovana fanarahamaso sy fitadiavana ao amin'ny media sosialy Echosec.

Exit mobile version