Rios de Encontro

Cabelo Seco, Marabá, Brezila – Niditra Rising Voices tamin'ny 2014

6M5A1615-copy-800x533Hatramin'ny 2011, namokatra karazanà votoaty isankarazany manankarena amin'ny resaka famoronana mahakasika ny zava-misy iainan'ny manodidina azy ireo tanora artista avy amin'ny tetikasa  “Renirano Mampivondrona” ao amin'ny vondrom-piarahamonina Afro-indizena ao Cabelo Seco anelanelan'ny reniranon'i Tocantins sy  Itaciúnas. Na eo aza ny taha avo be amin'ny fanilikilihana ara-tsosialy, ny fahantràna, ary ny herisetra ateraky ny fandraisana zava-mahadomelina, dia mampiseho firaisan-kina, fiaraha-miasa, ary kolontsainam-bahoaka miloko ny vondrom-piarahamonin’ i Cabelo Seco, izay niampita hatrany hatrany tamin'ny taranaka faramandimby. Mamorona tobin'onjam-peo anaty/ivelan'ny aterineto io tetikasa io mba hanampiana amin'ny firaketana ny harenan'ity kolontsainam-bahoaka ity amin'ny alàlan'ny famokarana tantara an-tsehatra fandefa amin'ny onjam-peo, ireo fanadihadiana ao an-toerana, adihevitra, ireo fanafody vita an-trano, sy ny fanaovan-gazetim-bahoaka, izay novokarin'ny vondron'ireo tanora mpandray anjara avokoa, tamin'ny fampiasàna ireo rindrambaiko maimaim-poana sy nozaraina tamin'ny alàlan'ireo tambanjotra sôsialy.

Ito misy ohatra avy amin'ny iray amin'ireo rakipeo:

https://pt.globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/12/eu-quero-energia-solar-rios-de-encontro-2014.mp3?_=1

Jereo ao anaty Aterineto izy ireo:

Latest Project updates from Rios de Encontro (Coming Soon)

Exit mobile version