SARIPIKA: Navadik'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tao Taiwan Ho Zava-kanto Ny Fefy Vy Napetraky Ny Polisy

Tsy ela taorian'ireo mpanao fihetsiketsehana nibodo ny Antenimiera mpanao lalàna ao Taiwan mikasika ilay fifanekena ara-barotra miaraka amin'i Shina, nohozongozonin'ireo mpanao fihetsiketsehana marobe ny renivohitry ny nosy Taipei nanomboka tamin'ny 26 Aprily ka hatramin'ny 30 Aprily, tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia ho fanoherana ny toby famokarana nokleary fahaefatra andala-panamboarana amin'izao fotoana ka atahoran'izy ireo fa hitera-doza.

Noteren'ny polisy hiala tao amin'ny toerana fitangoronany ireo mpanao fihetsiketsehana ary nametraka fefy sy sakan-dalana hanakanana azy ireo tsy hiverina. Sakan-dalàna amin'ny vy maranitra no napetraka manodidina ny lapam-panjakana, ny Antenimiera Yuan sy ireo tranom-panjakana lehibe hafa.

Ho setrin'izany, namorona zava-baovao ireo mpanao fihetsiketsehana. Noravahan'izy ireo tamin'ny fehin-damba, teny faneva ara-politika, voninkazo sy zavatra hafa manohitra ny nokleary ireo fefy vy, namadika ireo sakàn-dalana ho araka ilay antsoin'ny sasany hoe fampiratiana zava-kanto eny an'arabe. Mpiserasera taïwaney marobe no nizara ny sarin'ireo zava-kanto, ireto ambany ireto ny nofantenana tamin'izany.

Takelaka fampitandremana mihantona eo amin'ilay fefy vy mivaky hoe “Loza, aza manatona akaiky”. Sary nalain'ilay mpisera Facebook Chuan Hsiang Chang, izay niantso ilay fefy ho “olika mangina”. CC BY-NC 2.0.

 

Ny lapan'ilay mahafatifaty rendriky ny torimaso, na ny lapam-panjakana. Sary avy amin'ny mpisera Instagram, deception. CC BY-NC 2.0.

 

Lokoy mavokely izy ireo. Sary avy amin'ilay mpisera Twitter runst01. CC BY-NC 2.0.

 

Fehin-damba mavomavo. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr pbear6150. CC BY-NC-SA 2.0.

 

Mandefa vonikazo noho ny fitiavana. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr live365. CC BY-NC-SA 2.0.

 

Ao anatin'ny fefy sakan-dalana vy (chevaux de frise): ireo lasibatry ny vanim-potoanan'ny didy jadona. Sary avy amin'ny mpisera Facebook, Wei Hung. CC BY-NC 2.0.

 

Tsy maintsy handresy isika. Sary avy amin'ilay mpanao gazetin'ny NTU News E-Forum 張慈安 Tzu-An Chang. CC BY-NC 2.0.

 

Exit mobile version