Meksika: Hagagana Sy Ahiahy Taorian'ny Fipoahan'ny Foiben-toeran'ny Pemex

Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City, araka ny vaovao voaray avy amin'ny kaonty Twitter ofisialin'ilay orinasa :

@pemex [es]: Lamentablemente se tienen confirmados al momento 14 personas fallecidas y 80 lesionadas

@pemex: Indrisy, olona 14 no vo9amarina fa maty ary 80 no naratra

Ny mpiserasera amin'ny aterineto sasany , ankoatra ny alahelo tamin'ireo vaovao, dia niahiahy tamin'ny tena fototry ny fipoahana marina. Tahaka an'i Think Mexican (@ThinkMexican), izay nanasongadina izany tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter :

@ThinkMexican: Torre de #Pemex nitranga andro vitsy taorian'ny namalian'ny @EPN ny fiahiahiana ny mpitantana azy ho nitady hanome ny solik'i Meksika ho an'ny tsy miankina http://ow.ly/1RJUGC ilay fipoahana

Nefa Raúl Tortolero, izay sady mpanao gazety no mpanoratra (@raultortolero1), dia nanontany :

@raultortolero1 [es]: ¿Conoceremos con transparencia lo que pasó en #Pemex hoy, o sólo versiones a modo?

@raultortolero1: Ho fantatsika ao anatin'ny mangarahara ve izay zava-nitranga tao Pemex androany, sa izay zavatra amboamboarina ihany no ho rentsika?

Fa ny sasany toa an-dry Ana (@AnaLargaespada) dia niteny ny momba ny mety ho nisian'ny antsirambina :

@AnaLargaespada [es]: Instalaciones de #Pemex ya habían tenido 2 explosioneshttp://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … (ver video). Eso me huele a mal manejo

@AnaLargaespada: Efa in-2 nipoaka sahady izay ny fotodrafitrasan'ny #Pemex   http://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … (jereo ny lahatsary). Ohatra ny hoe tsy fahaiza-mitantana izany amiko.

Fa ny sasany dia nihevitra fa andraikitry ny andrianan'ny zava-mahadomelina io, tahaka ny nilazàn'i Jorge  (@TwytterMx) azy :

@TwytterMx [es]: Explosion en oficinas principales d #Pemexal igual q la explosion en #reynosa son actos d terrorismo por parte del Narco! #atentado

@TwitterMx: Ny fipoahana tao amin'ny foiben-teran'ny #Pemex , tahaka izay niseho tany #Reynosa, dia asa fampihorohoroana ataon'ireo andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina! #atendato (fanafihana)

Nofehezin'i Alejando Escalona (@alexoescalona) mpanoratra ao amin'ny Huff Post Voices hoe :

@alexoescalona [es]: Me parece muy bien no especular que lo de Pemex fue atentado, pero tampoco hay que asumir que fue accidente. #PEMEX

@alexoescalona: Heveriko fa tsy tsara ny miahiahy raha toa ka fanafihana iny nitranga tamin'ny Pemex iny, nefa tsy tokony hoeritreretintsika ho tsy nahy iny. #PEMEX

Amin'ny lafiny iray, misy ireo fanehoankevitra mahasosotra izay mampirongatra ny maro, toa an'i Mariano Bouchot (@marianobouchot) mpanao sarimihetsika sady mpanoratra lahatsoratra, izay tsy mankasitraka ny vazivazy amin'io resaka io

@marianobouchot [es]: No entiendo ni justifico los chistes que se hacen alrededor de la tragedia. Lo ocurrido hoy en #Pemex no es chiste.

@marianobouchot: Tsy azoko na tsy hamariniko ireo vazivazy manodidina ilay loza. Tsy sangisangy izao niseho tamin'ny #Pemex androany izao.

Fa nisy maro ihany koa ireo mpiserasera amin'ny aterineto no mizara vaovao ilaina. Toa an-dry Fherb (@LFernando24) izay nibitsika hoe :

@LFernandoo24 [es]: Ayuda por favor: Se necesitan donadores de sangre en hospital de Pemex Central Norte Azcapotzalco… #Pemex

@LFernandoo24: Mbà ampio azafady : Ilàna mpanome rà ao amin'ny Tobim-pahasalaman'ny Pemex, Avaratra Afovoany any  Azcapotzalco… #Pemex

Nizara ny rohy misy ny tatitra mikasika ireo maratra i Maru Iniestra (@889Maru) :

@889Maru [es]: Pasen la voz… Reporte preliminar de heridos#Pemexhttp://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … Más información en @locatel_mx#LocatelInforma 56581111

@889Maru: Aparitaho ity teny ity… Tatitra vonjimaikan'ireo naratra   #Pemex http://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … Fanampim-panazavàna ao amin'ny @locatel_mx #LocatelInforma (Locatel Informs) 5658111

Fa betsaka ireo mpiserasera amin'ny aterineto no naneho fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy, toa an'i Guillermo Barba (@memobarba) mpahay toekarena sady mpitoraka bilaogy :

@memobarba [es]: Es sin duda una gran desgracia la explosión ocurrida en la Torre de #Pemex. Mis condolencias para los familiares d las víctimas

@memobarba: Tsy isalasalàna fa tena zava-doza io fipoahana tao amin'ny Tilikambon'ny #Pemex io. Mamangy amin'ny fahoriana ho an'ny fianakavian'ireo niharam-boina.

Efa misy fehy mainty sahady ny tranonkalan'ny Pemex ho mariky ny fisaonana.

Fijerena an'habakabaka ny fipoahan'ny Ttilkambon'ny Pemex tany Mexico City. Sary tao amin'ny Twitter nozarain'i  @mexboby

 

Mbola eo am-pivoarana ny vaovao tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.

Exit mobile version