Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

05 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 05 Febroary 2013

Meksika: Hagagana Sy Ahiahy Taorian'ny Fipoahan'ny Foiben-toeran'ny Pemex

Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City. Nangoninay eto ireo hevitry ny sasany amin'ireo mpiserasera amin'ny aternineto.

Ady Amin'ny ” Jadona Mahery Vaika” Any Amin'ny Faritra Fitrandrahana Arintany Any Okraina

Tany Severnyi, tanàna ravan'ny fitrandrahana arintany ao atsinanan'i Okraina, ilay bilaogera ao amin'ny Donetsk Stanislav Kmet (mpampiasa ny LJ frankensstein), rehefa nandefasan'ny vondronà mponina mailaka izay mangataka ny hanampiana azy ireo mba hisintonanana ny sain'ny olona ho any amin'iio fitrandrahana tsy ara-dalàna io, izay mitady handrava ny tranon-dry zareo.

“Atsangano ny Tanana! Fangalarana izao!”: Mitohy ny Hetsi-Panoherana ao Espaina

Nidina maro an-dalambe hampiseho ny fahatezerany indray ny Madrileños tamin'ny faran'ny herinandro teo noho ny fiheverana ny Praiminisitra Mariano Rajoy ho nanao kolikoly. Mizara ny sary nopihany i Anna Williams

Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory

Notorian'ny sampam-pitsikilovana ambony ao Korea Atsimo ho nanala-baraka azy ilay psykôlôgy mpahay lalàna Pyo Chang-won. Tamin'ny lahatsoratra farany navoakany [ko] tao amin'ny gazety mpanohana ny ankavia, namely ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Koreana (NIS) i Pyo, noho ny fanadihadiana notontosain'izy ireo tamin'ny mpiasa voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany...

Miray feo amin'ny fitadiavana ilay zazalahy tsy hita i Malezia

Zazalahy kely enin-taona i William Yau, tao anaty fiara niaraka tamin'ny iray tampo taminy nandritra ny fotoana nandehanan'ireto ray aman-dreniny tao amin'ny magazay momba ny herinaratra ny 16 Janoary. Araka ireo  tatitra, nanomboka nitomany ny anabaviny, ka nivoaka ny fiara mba hitady ireo ray aman-dreniny, kinanjo tsy niverina intsony. Ny alakamisy,...

Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé

Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria...

Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila

Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava...

Mandao An'i Tiorkmenistana Ireo Mpirotsaka An-tsitrapon'ny Peace Corps

Nolazaina fa hanakatona ny fandaharan'asany any Tukrmenistan ny Peace Corps - fandaharanasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo tantanan'ny governemanta Amerikana - ary hiala ny firenena izy ireo ny faran'ny 2012. Maro ireo Turkmen mpampiasa aterineto no mihevitra fa handatsaka lalina kokoa ny firenena anatin'ny fitokana-monina sy hametra ny fahafahan'ny tanora hahazo fanabeazana izany...

“Sorohy ny Hetsika Ivelan'ny Trano” – Nahatratra Ny Taha Avo Indrindra Ny Rivotra Maloto Any Beijing

etroka mavesatra nitarazoka be nandritry ny 4 andro miaraka amin'ny fanazavana ara-maoraly ny fipitipitin'ny loto no namely ny renivohitra Sinoa tamin'ny tapatapaky ny volana Janoary, niteraka lohatenim-baovao lehibe ary nampanonjanonja ny vondom-piarahamonina iray tety anaty aterineto izay nanjary lasa niha-nahery feo mikasika ny olana ara-tontolo iainana.