Vao haingana izay tamin'ity volana ity, nikarakara hetsi-panoherana teo anoloan'ny Antenimieram-Bahoaka Ejipsiana ny avy ao amin'ny Hetsiky ny Tanora ny 6 Aprily, nitaky fahalalahana ara-politika bebe kokoa sy fampitsaharana ny “lalànan'ny fahalatsahana an-katerena”, izay mety hohavaozina indray amin’ity taona ity ary mety hohamafisin'ny “lalàna Fanoherana ny Mpampihorohoro” izay heverina ho tena hasiaka tokoa. Tamin'ny alalan'ny herisetra no namalian'ny mpitandro ny filaminana Ejipsiana izany tamin'ny alalan'ny fisongadinan'ny fisamborana sy ny fiampangana.
Nafototra tamin'ny aterineto ny rafi-pifandraisana voalohany eo amin'ireo mpikambana amin'ny FDEP noho izy ireo namorona blaogy vaovao, mamoaka fanampim-baovao momba ireo voasambotra, ary namorona ny teny fototra (#EgyDefense) ao amin'ny Twitter mba hanaparitahana ny vaovao eo noho eo. Nanao tatitra media tao amin’ny «Flickr» sy «Youtube» ireo mpikambana ao amin’ny FDEP.
Ity manaraka ity dia iray tamin'ireo lahatsoratra voarainay tamin'ny 6 Aprily:
Voasambotra niaraka tamina tanora 40 hafa aho, ary nanao herisetra taminay rehetra ry zareo ary nohidiany tao anaty trano iray fitobiana fiara mifanila amin'ny Antenimieram-Bahoaka izahay [Ny anaran’ny mpandefa]
Nandritra ny tontolo andro, nahangona anaran'olona voasambotra 92 izahay tamin’ny alàlan’ny finday ka nahafahanay namaritra ny toerana nisy azy ireo, ary namoaka ny vaovao tamin'ny aterineto. Niantso ny laharan-tariby vonjy maika ny fianakavian’ireo voasambotra mba hanampy anay hanitsy ny anaran'ireo havany hita tao anatin’ny lisitra sy hameno tsara kokoa ny anarana. Nialoha ny nifaranan'ny andro, noho ny vaovao azo avy amin'ny olona dia naharakitra tranga fisamborana 106 izahay.
Namoaka fanampim-baovao tsy an-kiato tamin'ny Twitter ireo mpahay lalànan'ny FDEP momba izay toerana misy ireo voasambotra ary vao mainka nampirisika mpanao lalàna bebe kokoa hanampy ny FDEP izany. Ankoatr’izany, nampiasa ny saritanin'i Google koa ny FDEB mba hahafahany namantatra tsara ny toerana misy ireo voasambotra.
Ny “tweet”-n'i Ahmed Ragheb: Ao amin’ny Ministeran'ny Atitany, ao amin'ny Sampana momba ny Làlana sy Fivoahana any amin'ny Làlan-taniefitry Cairo-Ismailia izao no misy ireo voasambotra.
Nandritr'ireo andro taorian'izay, nitatitra vaovao tany amin’ny Kaomity niandraikitra ny vatsy ara-tsakafo ny Mpisahana ny Serasera mba hamatsy sakafo, zava- pisotro sy fanafody ho an’ireo olona voatàna, ary tany amin'ny Mpisahana ny Fikarohana mba hanamora ny fanangonana ireo fijoroana vavolombelon’ireo olona navotsotra.
Fampisehoana ny fomba fampiasàn’ny FDEP ny fitaovana amin'ny aterineto sy avo lenta mba hifandraisana amin'ireo voasambotra tamin'ny 6 Aprily, hanaparitahana ny vaovao azo, ary hanamoràna ny asa teo amin’ny tompon'andraikitry ny FDEP sy ireo mpikambana.