Ampiasain'ny Karana ho sehatra itarainana ny bolongana rehefa niresaka manodidina ny fitongilanan'ny haitaon'ilay goavana Google ry zareo. Ny miteraka adihevitra eto dia ny Google Doodles (soritsoritra google) ho an'i Pakistan. Google Doodles moa no anaran'ireny kisarisary asehon'i Google tsindraindray rehefa amin'ny fotoan-dehibe ireny. Mankalaza sy manome voninahitra ny ankamaroan'ireny fety manerantany ireny na ireny olona fantadaza manerantany ireny ny google amin'ny fampiasany ny doodles. Saingy tsy mbola nahita kosa izahay hatramin'izay doodles ho ana olo-malaza Karana na fety Silamo akory aza. Ny fety tahaka ny hidy na ny Ramadany anefa dia ankalazaina manerana ny tontolo Miozolomana.
Samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny ny mpamaham-bolongana amin'izay mety ho anton'izany. Ilay nanangam-peo voalohany moa dia i Bites85 ao amin'ny ProPakistani, izay notohanan'ny mpamaham-bolongana maro avy eo. Andeha ary isika hizaha izay lazain'ny mpamaham-bolongana Karana:
Manoratra ary i Sohaib Athar ao amin'ny ReallyVirtual :
I personally think that Google not showing any Doodles for Islamic events has something to do with their “Do No Evil” policy 😉 Seriously though, while Google can not be forced to cater to each segment of their customer base, especially since doodling is the secondary responsibility of the guy who creates them, but given that
* Google has doodles for other religious holidays
* Muslims form a huge chunk of their customer base – much larger than, say, Pakistanis, or people who like Escher
* Google has doodles for birthdays and other days that only a tiny portion of the world celebrates
* Google is a PUBLIC company (which does matter)… by not having a doodle for a single Islamic event/holiday so far, the message they are sending out, to many Muslims, says something like ‘We are the biggest website around and are a global company, but we don’t really care about the Muslim culture and won’t even consider it to be worth a doodle’ – really bad marketing.
Etsy andaniny kosa dia misy ireo mpamaham-bolongana mitandrina kokoa amin'ny filazany ny heviny amin'izay mety ho antony tsy itiavan'ny Google hanao soritsoritra mety hanakorontana (ary efa nitranga tamin'ny toe-javatra hafa).
Izao no no tsy maintsy nolazain'i Teeth Maestro:
What has been seriously missing in its endless inventory of hundreds of Google Doodles is any logo commemorating a Muslim celebration, be it Eid or any other Islamic celebration, that said I am sure there maybe a little hesitancy on making a graphic image of an Islamic event and not fall into a potential cartoon controversy, but I assure you there are way to ensure that these innocent efforts dont back fire.
[..]
Pakistan has been on the Google map for sometime but we have yet to be honored with an Independence day Google graphic on Google.com.pk, our neighbor India has instead been on the receiving end of quite a few celebratory doodles gifts from Diwali to an 15th August doodle on Google.co.in website. But we here in Pakistan sit doodling our fingers in jittery anticipation.I urge Google to seriously consider our humble request it wont hurt if they surprised Muslims or Pakistani with a customized doodle.
Efa nahazo ny fon'ny Karana sy Silamo maro mpampiasa aterineto ny Google. Maro no misafidy ny tolotra omen'ny Google miohatra amin'ny mpifaninana aminy. Na izany aza tsy mifanaraka amin'ny lazan'ny Google loatra raha misy ny fiangarana. Noho izany manantena aho fa hihaino anay ny Google ary hametraka soritsoritra Hidy amin'ity indray mitoraka ity 🙂