Adin'i Pakistana amin'ny asa fanaovan-gazety : Fakàna an-keriny sy fisamborana ireo mpanao gazety malaza

Screenshot of 2022 World Press Freedom Index - ranking of Pakistan. Published by Reporters Without Borders (RSF). Fair use.

Pikantsary an'ny Fandaharan'ny Tondron'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety 2022 an'i Pakistana. Navoakan'ny Reporters Without Borders (RSF). Fampiasana ara-drariny.

Mbola miatrika fandrahonana hatrany ireo mpanao gazety ao Pakistana, samborina sy alaina an-keriny noho ny tatitra noho ireo olana ara-politika saropady. Mialoha ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa fanaovan-gazety 2023, dia tsara ny mampatsiahy fa ny Fahalalahan'ny Asa fanaovan-gazety no andry fototry ny fiarahamonina demokratika rehetra ary andraikitry ny governemanta ny fiantohana ny fahafahan'ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany tsy misy tahotra ny valifaty.

Ny 2023, mpanao gazety Pakistaney marobe no voasambotra, anisan'izany i Shahid Aslam, mpanangom-baovaon'ny BOL News, noho ny nampiasany ireo angon-drakitra mikasika ny hetra niporitsaka tao amin'ny tatitra nataony. I Aslam dia fantatra amin'ny fanaovany fanehoan-kevitra mahamay amin'ny tafika Pakistaney. Ny 13 Janoary no nosamborin'ireo manampahefana i Aslam ary nampangainy ho voarohirohy tamin'ilay lahatsoratry ny  FactFocus nivoaka ny 19 Novambra 2022, izay nanambara ny fananan'ny Jeneraly Tafika Pakistaney teo aloha, Qamar Javed Bajwa sy ny fianakaviany ary namoaka tamin'ny antsipirihany ny fomba nanangonany harena nandritra ny enintaona lasa.

Steven Butler, mpanao gazety no sady mpanolotsaina ho an'ny fandaharan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety, no nibitsika hoe :

Ny fanagadrana mpanao gazety iray sy fanerena azy hamoaka ny loharanony dia fomba iray azo antoka hamonoana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy hanafenana ny kolikolin'ny manampahefana. @ShahidAslam87 dia tokony havotsotra tsy misy hatak'andro. Tsy heloka bevava ny asa fanaovan-gazety !!

#AvotsoryShahidAslam https://t.co/iGrwjDzKRf

— Steven Butler (@StevenBButler)14 Janoary 2023

Sokajian'ny fikambanana mpanara-maso iraisam-pirenena ho firenena iray amin'ireo firenena tena loza be indrindra erantany i Pakistana ho an'ireo mpanao gazety. Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia maro ireo mpanao gazety malaza sy mpiasa amin'ny haino aman-jery no lasibatra sy novonoina ary betsaka tamin'ireo tranga ireo no mbola tsy nahitam-baliny.

Fisamborana, fakàna an-keriny ary famonoana mpanao gazety malaza

Arshad Sharif, Pakistaney malaza mpanao gazety fanadihadiana fantatra amin'ireo tati-baovao tsy misy tahotra momba ireo olana saropady sy ny fanakianany ny tafika Pakistaney, no maty voatifitra tao Nairobi, Kenià tamin'ny 23 Oktobra 2022. Ny famonoana azy dia fampahatsiahivana mampalahelo ny loza mananontanona matetika atrehan'ireo mpanao gazety ao Pakistana.

Taorian'ilay famonoana, nangataka ny valinteny avy amin'ny governemanta ny vadiny, Javeria Siddique, tamin'ny alalan'ny bitsika manao hoe :

Fanjakana telo, Pakistana, Kenia ary Emirats Arabes Unis, no tompon'andraikitra sy tokony hanome valinteny momba ny famonoana ny vady malalako @arsched.
Famonoana voaomana iny ary nokendrena araka ny voalazan'ny @RSF_en @danbast

#JusticeForArshadSharifhttps://t.co/54xGzp1hPF

— Javeria Siddique (@javerias) 21 Janoary 2023

Tamin'ny fiandohan'ny 2023 teo, nokarohina ka tratra ilay mpanao gazety Syed Fawad Ali Shah ary nogadraina tao Pakistana taorian'ny filazana fa tsy hita tao Malezia tamin'ny faran'ny taona 2022.  Shah dia fantatra tamin'ny andian-tantara fanadihadiana nataony mikasika ireo tranga fanjavonana an-terisetra nataon'ireo sampam-pitsikilovan'ny tafika sy mpanangona vaovao ao Pakistana. Tamin'ny 2011, nalain‘ny Inter-Services Intelligence (ISI) an-keriny sy nofonjainy nandritra ny telo volana sy tapany izy, ary taorian'izay dia nandositra an'i Pakistana.

PAKISTANA: “Nasiany saron-tava mainty ny tavako ary nentiny tany amin'ny seranam-piaramanidina aho” – @SyedFawadAli303 mizara ny toe-javatra niainan'ireo mpanao gazety ao amin'ny fireneny sy ny traikefany tamin'ny fanenjehana, sesitany sy fandroahana azy.

Vakio ny tafatafa feno ao amin'ny

https://t.co/BbbejhSBZX #CIVICUSLens pic.twitter.com/ZMaWDCaY6c

— CIVICUS (@CIVICUSalliance) 20 Aprily 2023

Tamin'ny fiandohan'ny 2022, mpanao gazety zokiolona iray manam-pahaizana manokana amin'ny heloka bevava, Hasnain Shah, no voatifitra tsy nananana antra sy novonoina tamin'ny andro antoandro teo akaikin'ny Lahore Press Club.

Nibitsika mikasika ny fanafihana atao amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Pakistana ny Khaleej Magazine :

Nanomboka ny fanafihana ratsy indrindra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eto Pakistana. Miatrika fandrahonana ireo mpanao gazety sangany.

— Khaleej Mag (@KhaleejMag) 22 May 2022

Syed Iqrar Ul Hassan, mpanao gazety malaza fantatra amin'ny fandaharany amin'ny fahitalavitra Sar-e-Aam, izay matetika manao hetsika fitsofohana miafina mba hiampangàna ny kolikoly sy ny tsy rariny ao Pakistana, no novonoina tamin'ny fomba feno habibiana noho ny famoahany ny kolikoly tao amin'ny Biraon'ny Fitsikilovana tao Pakistana.

Fironana mampanahy

Indrisy anefa fa tsy mitsahatra ny mitotongana ny toe-draharaha iainan'ireo mpanao gazety nandritra ny taona maro, miaraka amin'ny fitomboan'ny fisamborana, fakàna an-keriny sy herisetra atao amin'izy ireo. Tsy hoe ny zo maha-olombelona fototra no voahitsakitsak‘io fironana io, fa ao ihany koa ny fanohintohinana ny demokrasia sy ny Fanjakana tàn-dalàna. Miantehitra amin'ireo mpanao gazety ny vahoaka amin'ny fanomezana vaovao azy ireo sy hampamoahana izay eo amin'ny fitondrana. Rehefa tampenam-bava ny mpanao gazety dia tavela ao anatin'ny tsy fahalalàna ny vahoaka, ka mamela ny kolikoly sy ireo fanamparam-pahefana hitohy tsy misy amin'ahihay.

Ireo mpanao gazety miasa amin'ny faritra misy fifandonana,toa an'i Balochistan sy Khyber Pakhtunkhwa, dia tena iharan'ny fandrahonana ataon'ny vondrona mpitolona, ireo andian-jiolahy mpanao heloka bevava ary ireo mpisehatra tsy fantatra avy amin'ny fanjakana. Araka ny voalazan'ireo angon'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), fara-fahakeliny mpanao gazety 61 no niniana nokendrena sy novonoina tao Pakistana nanomboka ny taona 1992.

Faha-157 amin'ny 180 no laharan'i Pakistana eo amin'ny Fanakilasiana Manerana izao tontolo izao mikasika ny Fahalalahana amin'ny Asa Fanaovan-gazety tamin'ny  2022, navoakan'ny Reporters Without Borders (RSF), izay manazava ny antony mahatonga ny toe-draharaha amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena ho mampanahy.

Na eo aza ny toe-javatra mampihoron-koditra ho an'ny mpanao gazety ao Pakistana, dia mbola misy hatrany ny tsirim-panantenana. Mizara ny fijeriny ao anaty bilaoginy ny mpanao gazety, Muhammad Awab Anjum, avy ao Islamabad :

Raha toa manome antoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny lalàm-panorenana ao Pakistana, ny tena zava-misy dia miatrika  fanamby goavana ireo mpanao gazety amin'ny fanaovana ny asany ao amin'ny firenena. Na eo aza anefa izany dia marobe ireo mpanao gazety manohy miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy miasa amin'ny fitànana ho tomponandraikitra ireo olona eo amin'ny fitondrana. Zava-dehibe ny tokony handraisan'ny governemanta andraikitra manoloana ireo fanamby izay atrehin'ny mpanao gazety sy ho famoronana tontolo mampivelatra ny haino aman-jery malalaka sy tsy miankin-doha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.