Sambo mitsingevana taritin’ny tanjak'olombelona andiany 2010 nandritra ny fetiben'ny Bahamas’ Junkanoo, izay natao ny 26 Desambra_1 Janoary isan-taona. Sary avy amin'i Cathy T (CC BY 2.0).
Arahaba nahatratra ny taona e! Misaotra anareo rehetra tamin'ny fandraisanareo anjara tamin'iny volana farany tamin'ny taona niavaka 2021 iny. Amin'ity lahatsoratra ity isika dia hijery ny zava-nisongadina tamin'ny volana Desambra ary koa ny vitsivitsy tamin'ny taona amin'ny ankapobeny:
Niala tamin'ny andraikiny ao amin’ny vihin'ny ekipa amin'ny maha Mpitantana Lingua azy tamin'ny faran'ny volana Desambra i Mohamed ElGohary, ilay tsy mety kivy, izay mandray ny toeran'ny Network Engagement Specialist ao amin’ny IFEX tamin'ity volana ity. Hanembonana mihitsy ny fiarahana tamin’i Gohary tao amin’ny vihin'ny ekipa, saingy mijanona ho mpikambana ao amin’ny ekipan’ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices izy ary hanohy ny asany amin'ny maha mpitantana ny fandikan-teny amin'ny Lingua Arabo. Hanambara drafitra momba ny fandraisana mpiasan'ny fitantanana Lingua vaovao tsy ho ela izahay.
Tongasoa ireto mpandray anjara vaovao ireto izay namoaka ny lahatsorany GV na fandikan-teniny voalohany tamin'ny volana Desambra 2021!
A. Sasil Sánchez Chan, Andreja Stojkovski, Ather Zia, Chloë Tanguy, Léa Bailleux, Mariana Schutt, Menna Adel, Mihoko Tsuji, Rafaela Landikusic, Sarah Khaled, Sofia Bressi, Tassos Christopoulos, Tomiwa Ilori, Tommy MOUR, Youpeul, Zoila Antonio.
9-10 Desambra: Melissa, nisolo tena ny Global Voices mivantana tany amin'ny Zaikaben'i Lisbon 2021 an’ny Filankevitr’i Eoropa, izay niresahana ny lohahevitra momba ny Fifampiresahana ao amin'ny kolontsaina samihafa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny vala(n’aretina)mbaovao. Niseho tao amin'ny famelabelaran-kevitra mitondra ny lohateny hoe “Vakio ny balaonina ho an’ny firaisankina manerantany sy ny rariny ara-piarahamonina” i Melissa.