MIVANTANA amin'ny 9 Martsa : Hiparitaka manerana an'i Amerika Latina ve ilay “Samonta Maitso” avy ao Arzantina momba ny zo hanàla zaza ?

Halefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, Twitch amin'ny fiteny espaniôla

Tompon'ny sary (Havia miankavanana): Romina Navarro ao amin'ny Global Voices; Lara Va tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0); Juan Diez tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0).

Niteraka andiana adihevitra momba ny zo ara-pananahana nanerana an'i Amerika Latina ilay fanaovana ho ara-dalàna ny fanalànjaza nolaniana tany Arzantina tamin'ny Desambra 2020. Firenena marobe ao amin'ny faritra no mametraka ny fandraràna tanteraka ny fanalànjaza; ary niatrika fanehoankevitra nivaivay avy amin'ireo vondrona mpandàla ny aina izy io tany amin'ireo firenena hafa izay nanalalahana tanteraka na tamin'ny ampahany an'ilay fomba fanao.

Miaraha aminay ny 9 Martsa ao anatin'ilay farany indrindra amin'ilay andiana kaonferansa anaty tambajotra Global Voices Insights fanaonay mivantana, izay hisy andiana mpandray fitenenana handalina ny fiantraikan'ilay fanapahankevitra tao Arzantina any amin'ireo firenena sisa ao Amerika Latina, ary hiezaka hamaly ny fanontaniana hoe: Hiparitaka any amin'ny faritra ve ilay “samonta maitso’ avy ao Arzantina, hanova ireo lalàna sy fomba fisaina manodidina ny fanalànjaza? 

Ilay fotoana, izay ho atao amin'ny fiteny espaniôla ary hoarindran'i Melissa Vida, toniandahatsoratra ho an'ny faritra Amerika Latina, dia hanomboka amin'ny 6 hariva UTC (12 hariva ao Mexico City sy Amrika Afovoany/1 pm ao  Bogotá/3 pm ao Buenos Aires/7 pm ao Madrid), ary hanasongadina ireto manaraka ireto:

Maimaimpoana ary azon'ny daholobe arahana ilay fotoana, halefa mivantana ihany koa ao amin'ny Facebook Live, YouTube sy Twitch.

Manantena ny hahita anareo izahay amin'ny 9 Martsa amin'ny 6 ora hariva UTC (potsiro ity rohy ity hamadihana ny ora hifanaraka amin'ny faritra misy anao)!

Exit mobile version